Talohan’ny fanajana ny Fo Masin’i Jesoa amin’izao endriny hahitantsika azy izao dia efa nisy ny fanajana azy. Raha ny fototra ara- tsoratra Masina dia azo raisina ireto : Joany 13, 23, Joany 19, 34-37.
Nanomboka teo amin’i Mb Marguerite Marie ALACOQUE sy Md Claude de la COLOMBIERE no tena nanomboka niparitaka ny fanajana ny Fo Masin’i Jesoa noho ireo fisehoana maro nanehoan’i Jesoa ny Fony tamin’ireto pretra sy masera.
Ny 03 Jona 1864 no nanambaran’ny Papa fa mitsangana ara-dalana ny “Archiconfrerie de la Garde d’Honneur du Sacré Coeur” tao Frantsa.
Tamin’io daty io no nanaovana sorona masina nametrahana tamin’ny fomba ofisialy an’i Madagasikara eo ambany fiarovan’i Fo Masin’iJesoa. Nanomboka teo dia niparitaka eran’ny fiangonana ny fanajana ny fo Masin’i Jesoa.
Araka ny fanambarana nataon’i Mgr De Saune dia ny 17 Septambra 1914 no nanatanterahana vavaka manokana sy ampahibemaso toy ny “Adoration eucharistique “ sy ny “Heure sainte”
Valim-pitia amin’i Jesoa Kristy , fatra-pitia sy nhafoy ny ainy ho antsika, fanalana alahelo ny Fo Masin’i Jesoa amin’ny alalan’ny: asa fanorenana, ora fiambenana isan’andro, asa fitiava-namana, fampijalian-tena, fialanaamin’ny fahotana, fibebahana raha lavo, fianarana an’I Jesoa Kristy, fanitarana ny fanjakan’Andriiamanitra.
Fo Masin’i Jesoa, Mb Marguerite Marie ALACOQUE, Md François d’Assise.
Aankizy
Tanora
Olon-dehibe
Diosezy |
20 |
Fitambarany |
13.485 |
Assistant ecclésiastique | P. Grégoire RAMAHEFARISOA | 034 76 029 99 mpiambinamasina@gmail.com |
Président national | Andriamasindrazana Michel | 034 08 943 01 |