VAVAKY
NY DIOSEZ’I FENOARIVO ATSINANANA
« Mba
hinoanareo fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra ary mba hahazoanareo
ny fiainana amin’ny anarany ». (Jo 20,31)
2016-2019
Ry Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina ô, misaotra Anao izahay
noho ny fahasoavana
nomenao anay tao anatin’izay 15 taona niorenan’ny Diosezinay izay : nitombo isa ireo namaly
ny antson’Andriamanitra ho Pretra sy ho Relijiozy ary ireo Kristianina
mandray andraikitra.
Tsapanay anefa fa maro ny ezaka
mbola hatao : tsy sahy mijoro
amin’ny fahamarinana ny maro aminay,
tsy mazoto mandinika ny fiainanay
izahay, ka mahatonga ny fiaraha-monina
misy anay mikorosy fahana.
Koa mba omeo
anay ny Fanahinao
Masina hanazava sy hitantana ny dianay
ary hanampy anay handinika ny zava-misy
iainan’ny olona ankehitriny, hahitan’ny Fiangonana fomba hitoriana ny Evanjely,
mba hinoan’ny olona fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra ary ny finoana
Azy no ahazoana ny fiainana amin’ny
anarany.
Miaraka amin’i Masina Maria Virjiny, renin’ny Fiangonana, sy ireo olomasina rehetra razanay, izahay no mitalaho izany Aminao. Amen
Imprimatur:
S.Ex. Mgr Marcellin
RANDRIAMAMONJY
Evekan’ny Diosezy Fenoarivo-Atsinanana
VAVAKY
NY DIOSEZ’I FENOARIVO ATSINANANA
« Mba
hinoanareo fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra ary mba hahazoanareo
ny fiainana amin’ny anarany ». (Jo 20,31)
TAORIAN’NY SINAODY VOALOHANY[1]
Tompo Zanahary Rainay ô !
Misaotra Anao izahay tamin’ny nitantanao anay
ka afaka mandroso amin’ny lalindalina kokoa hatrany
amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny Zanakao nitsangan-ko velona.
Ankininay Aminao ny
dingana vavovao ataonay,
hiarahanay amin’i Jesoa
Kristy Zanakao
mba hanorenanay ny fanjakanao
eo amin’ny lafim-piainanay
olombelona andavanandro:
hijoroanay ho vavolombelon’ny marina
sy ny fahafahana,
ny fitiavana sy ny fandriam-pahalemana ary ny fiadanana.
Omeo anay mandrakariva ny Fanahinao
Masina,
hanazava sy hitantana ny dianay,
hankahery sy hamporisika anay hiasa,
hahazoanay fahasahiana tsy ho resin-kenatra na tahotra,
hanamasinanay ny olombelona
sy ny tontolom-piainanay.
Ray ô, ampio izahay handresy ny
herin’ny ratsy,
ka ho afaka hanavao ny
endriky ny tany sy ny fiaraha-monina
misy anay,
ary hampitombo ny finoanay fa
i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra ary ny finoana Azy
no ahazoana ny fiainana amin’ny anarany.
Miaraka amin’i Masina
Maria Virjiny, Renin’ny Fiangonana, sy ireo Olomasina rehetra razanay, izahay no mitalaho izany Aminao. Amen
Imprimatur:
S.Ex. Mgr Marcellin
RANDRIAMAMONJY
Evekan’ny Diosezy Fenoarivo-Atsinanana