![]() |
TANTARAN’NY DIOSEZY FENOARIVO-ATSINANANA |
Père Frédéric Lucien |
« Mba hinoanareo fa i Jesoa
no Kristy Zanak’Andriamanitra ary mba hahazoanareo
ny fiainana amin’ny
anarany ». (Jo 20,31)
|
TENY FAMPIDIRANA
- Ny fizotran’ny Sinaody
- Ireo hevitra voarakitra
amin’izany Sinaody voalohany izany, vokatry ny dinika natao. Tsara ho marihina
anefa fa ialohavan’ny tantaran’ny Diosezy izany, izay aseho amin’ny topimaso
ihany. Mety hanontany tenany sasany amin’izay tsy voalaza!
1. Fenoarivo-Atsinanana,
Diosezy vaovao
1-1. Taona 2000-2001
Faritra iray (Secteur) tao
anatin’ny Diosezin’Antsiranana i Fenoarivo-Atsinanana teo aloha. Nankalaza ny
faha-100 taona nitorian’ireo misionera sy nandraisan’ny vahoaka Betsimisaraka
ny Evanjely izy tamin’ny taona 2000. I Mgr Michel MALO, izay nandimby an’i Mgr
Albert Joseph TSIAHOANA no Arsevekan’i Antsiranana tamin’izay fotoana izay. Io
taona io ihany koa, ny 30 Novembre 2000, no nanokanan’i Papa Ray Masina Joany
Paoly II[1]
an’i Fenoarivo-Atsinanana ho renivohitry ny Diosezy vaovao. Ny faritra
atsimon’ny Diosezin’Antsiranana taloha (Secteur
sud) dia lasa Diosezy vaovao nanomboka tamin’io taona jobilin’ny Fanahy
Masina io.
Ny Diosezy vaovao dia mifanindry tanteraka amin’ny faritra Analanjirofo
amin’izao fotoana izao (avy ao
Maroantsetra ny Avaratra ary ao Vavatenina ny Atsimo-Andrefana).
I Monsenera Désiré TSARAHAZANA, Pretra avy tao amin’ny
Diosezin’Antsiranana no Eveka voalohany notendren’ny Papa hitantana ny Diosezy
vaovao. Ny 18 Fevrier 2001, nitsangana ampahibemaso ny Diosezin’ny
Fenoarivo-Atsinanana ary io daty io ihany koa no nanamasinana sy nametrahana
an’i Mgr Désiré TSARAHAZANA teo amin’ny toerana maha-Eveka azy. Hatramin’izay
ka hatramin’izao, io daty io no ankalazana ny tsingerin-taonan’ny Diosezy (Anniversaire). Nanomboka ny
fitorian-teny amin’ny endriny vaovao tato amin’ny faritra Analanjirofo, teraka
ny Diosezy.
1.2. Taona 2001-2009: Fanomboahana (Mgr Désiré TSARAHAZANA)
Ezaka lehibe no tsy maintsy natao ho fampandehanana voalohany ny Diosezy
vaovao. Niseho tamin’ny endrika maro izany ezaka izany, izay azo sokajina ho
roa: ny fananganana fotodrafitr’asa sy asa pastoraly.
Raha vao vita ny fivoriana farany niarahana tao Antalaha ny volana Jolay
2001, izay azo lazaina fa fotoana tena nisarahan’ny Pretra Atsimo sy ny
Avaratra, dia nanomboka nifantoka tamin’ny fampandehanana ny Diosezy vaovao ny
Eveka. Maro tokoa ireo asaloha ary tsy hita aiza no hametrahana tongotra
voalohany!
Raha resaka fotodrafitr’asa no asian-teny, sady tsy nanana trano ho
an’ny Eveka (Evêché) no tsy nanana Seminera ny Diosezy vaovao. Ireo no isany
natao vaindohan-draharaha teo ampiandohana. Nanomboka nihataka tamin’ny Paroasy
ny ekipan’ny Eveka ary nanofa trano tao amin’ny Karite Fenoarivo-Doany.
Niara-nipetraka tao ny Eveka (Mgr Dériré
TSARAHAZANA), ny Vikera Jeneraly (P.
Jean Pierre RANGA), ny Econome (P.
Jean François DELANGLE) ary frera iray nanao stazy (TIANJAMA Célestin dit Richard). Niaraka tamin’izay ihany koa ny
asaloha tamin’ny fitadiavan-tany hanorenana ny tena “Evêché” maharitra ho an’ny
Diosezy. Tamin’izay no nahazoana tany SAHAVOLA izay misy ny Eveka amin’izao
fotoana izao.
Rehefa voavidy ny tokotany dia nanomboka ny fanorenana. Ny 28 Septembre
2002 no nanao ny“Pose de la première
pierre” ary naharitra herintaona teo ho eo ny fanamboarana izany trano
izany[2].
Ny 26 Octobre 2003 no daty natokana hanehoana ny hafaliana ny fitsofan-drano ny
trano vaovao (Inauguration). Vita ny
tranon’ny Eveka na ny Evêché, ka niroso tsikelikely ny fampivoarana ny Diosezy
araka ny tarigetram-piainan’ny Eveka mpitarika hoe: “Reseo amin’ny soa ny ratsy” (Rm 12, 21)[3].
Nandritra izay fotoana voalaza izay ihany koa no nieritreretana ny mba
hananana Seminera zandriny tato amin’ny Diosezy. Voatendry hanokatra izany
Seminera izany i Mompera Juvence RAJAONARIVO. Tsy nanana trano fa niara-nipetraka
tao amin’ny ekipan’ny Katedraly. Niara-niasaloha ny Eveka, ny Econome ary ilay
Pretra voatendry. Tapaka ny hevitra tamin’ny taona 2003 fa tohizana ny Seminera
Jean XXIII izay efa nanofanana Pretra teo aloha. Tao no nandraisana ireo zandry
enina (6) voalohany, ny 13 Septembre 2003. Teraka tamin’ny trano tsizarizary
ary nipetraka teo anivom-bahoaka ny Seminera zandriny. Ny ezaka lehibe
voalohany dia ny hanesorana ireo vahoaka nanodidina mba ho tena Seminera no eo[4].
Tsy nandeha mora izany asa izany.
Pretra maro sy Seminarista isan-tsokajiny no nifandimby tao amin’io
toerana io (S. Mahavariana ny fitondran’Andriamanitra, nizotra hatrany ny asa
fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Ka anisan’ny asaloha ihany koa ny fomba entina
hanitatra ny asa pastoraly.
Etsy andanin’izany ihany koa, ny fananganana ny “Séminaire
Propédeutique” tato amin’ny Diosezy. Tsy tanteraka izany satria mbola tsy nisy
ny tokotany sy ny trano izay hipetrahana. Tapaka ny hevitra fa hiara-hiasa
amin’ny Diosezy Toamasina. Nekena ny fangatahana tamin’ny alalan’i Mgr Réné
RAKOTONDRABE, Evekan’ny Diosezy Toamasina. Ny taom-piofanana 2003-2004 no
nifanarahana hanomboahana azy. Nisy 5 (fito) mirahalahy izy ireo avy tato
amin’ny Diosezy niaraka tamin’ny mpanabe iray, dia i Mompera RAKOTOZAFY Frédéric
Lucien.
Ny hanokafana Paroasy vaovao no tsoa-kevitra naroson’ny Eveka mba
ahafahana manakaiky kokoa ny vahoaka. Enina no isan’ny Paroasy tamin’ny
fanombohana ny Diosezy: Maroantsetra, Mananara-Avaratra, Sainte-Marie,
Soanierana-Ivongo, Fenoarivo ary Vavatenina. Hita tokoa fa tena malalaka sy
midadasika ny velaran-tany amin’ireo Paroasy ireo. Nanomboka nanokatra Paroasy
tao Anjahana (Maroantsetra)ny taona
2004, ny tao Ampasimbe-Manantsatrana (Soanierana-Ivongo)
ny taona 2005, Vohipeno (Fénérive-Est) ny taona 2006 ary Sandrakatsy
(Mananara-Avaratra) tamin’ny taona 2008.
Maro ireo ezaka fampandrosoana ny Diosezy toy ny fizarana Sakramenta
isan-tsokajiny, ny voadin-dry masera sy fanamasinana pretra. Nasongadina ireo
sasantsasany ireo mba ho famantarana fa tena ezaka lehibe no natao tamin’ny
fanombohana ny Diosezy. Tsy ireo ihany ny zava-bita fa ireo no tenenina ka
misolo endrika ireo tsy voatanisa.
1.3. Taona 2009-2019: Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY
Tsy hoe hivalona tsy akory ny tantara! Rehefa nambara tamin’ny fomba
ofisialy fa misokatra ny Arsidiosezy Atsinanana dia voatendry i Mgr Désiré
TSARAHAZANA ho Arseveka voalohany. Faly sahirana ny tato amin’ny Diosezy
Fenoarivo-Atsinanana. Nandalo fotoana kely tsy nanana Eveka i Fenoarivo,
Diosezy vao valo taona monja.
Ny taona 2009 dia nanendry Eveka vaovao ho an’ny Diosezy
Fenoarivo-Atsinanana ny Papa Ray Masina Benoit XVI, dia i Mgr Marcellin
RANDRIAMAMONJY izany. Nitohy ny fanatsarana ny toerana ipetrahan’ny Eveka.
Torak’izany ihany koa ny fanaovana fotodrafitr’asa tao amin’ny Seminera. Nijoro tao Saint
Benoit ny“Centre Spirituel” sy ny
Seminera Propédeutique, ho fanampin’ny “Centre de développement rural” izay efa
nisy tao. Nohatsaraina ny Katedraly. Maro tsy voatanisa ihany koa ireo
fanatsarana ny fampivoarana isaky ny Paroasy tsirairay avy.
Nitohizan’i Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY
ireo fitsidihana na famangiana pastoraly izay efa natomboka teo aloha. Niroborobo fatratra ny antson’Andriamanitra ho Pretra
sy ho Relijiozy tato amin’ny Diosezy. Nitombo tahaka izany ihany koa ireo
nandray Sakramenta sy ireo Kristianina vontom-pinoana ka sahy mandray
andraikitra amin’ny fampandehanana ny Fiangonana.
Niara-dia tamin’ireo voalaza ireo ny ezaka fampivoarana ny fiombonana
amin’ny lafiny maro tato amin’ny Diosezy. Izay toe-tsaina sy toe-panahy ary
toe-po tia miombona izay indrindra no nampitodihan’i Mgr Marcellin
RANDRIAMAMONJY ny vahoakan’Andriamanitra iadidiany: ny Seminarista, ny Relijiozy, ny Pretra, ny Katekista sy ny vita Batemy
rehetra.
Tao anatin’izay soritra pastoraly izay indrindra no nentina namondrona
ny Kristianina tao Sahavola ka nanokafana Paroasy vaovao ny taona 2015. Naverina hiasa amin’ny
Diosezy ny fikambanan’ny Pretran’ny Fanahy Masina “Spiritain”.Porofo mitohaka amin’ny tenda ihany koa ireto manaraka
ireto:
- Kongresin’ny Katekista sy Inspecteurs, ny taona 2015
- Fiombonan-dRelijiozy anatin’ny Diosezy
- Pretra miombona amin’ny Eveka, mipetraka amin’ny
Evêché raha tonga Fénérive-Est.
-
“Table
ouverte”, premier lundi du mois
- Fiarahan’ny Pretra nanao « mission
populaire » tamin’ny fankalazana faha-10
taonan’ny Paroasy tany Sandrakatsy.
- Ny fiombonana amin’ny Eglizy maneran-tany ka mandefa
Pretra manao iraka any ivelany…
- Ny fivoriana sy “retraite” ataon’ny Pretran’ny Diosezy
sns…
Ankoatran’ny antony hafa, izay toe-tsaina miombona izay ihany koa no
nanosika ny Eveka hiroso amin’ny Sinaody voalohany ato amin’ny Diosezy ho
fankalazana ny faha-15 taonany (2001-2016). Araka ny taratasy nosoratan’ny
Eveka tamin’ny 15 Aogositra 2015, Fety nampiakarana an’i Masina Maria any
an-danitra, hoe: “ny Sinaody diosezianina
dia fiombonana amin’ny Eveka, amin’ireo pretra sy relijiozy ary ny kristianina
lahika”. Ka ny taona 2016 dia tapaka ny hevitra fa hiroso amin’ny sinaody,
dia nosokafana tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny fankalazana ny andron’ny
tanora tao Sonierana-Ivongo. Ahoana ary ny fivoaran’izany fanapahan-kevitra
izany ?
2- Fizotran’ny
Sinaody
Araka izany, entanim-pinoana ny Eglizy mijery ny fiainana. Manaraka an’i
Kristy Tompo izy. Manaiky koa fa tsy mitsahatra miasa ao am-pon’ny olona, eo
anivon’ny mpiara-belona ny Fanahy Masina. Maro tokoa ny fanontaniana apetraky
ny vahoaka amin’ny Eglizy amin’izao andro diavintsika izao. Maro samihafa ireo
zava-manahirana manindry mafy ny fiainan’ny olona. Toy izany koa ireo
hetahetam-po lalina avy amin’ny olona isan-tsokajiny. Hoy i Monseigneur Albert
Joseph TSIAHOANA tamin’ny Sinaody diosezianina, taona 1974 :“Raha tian’ny Eglizy koa ny hanompo
an’Andriamanitra ao amin’ny fiainan’ny olona, tsy maintsy raisina ho
zava-dehibe ireny ahiahy, tebiteby, fanontaniana mampisavorovoro ny fiainana
ireny. Raha mbola tian’ny Eglizy koa ny hanambara an’i Kristy mitafy nofo,
velona amin’ity tany ity, raha mbola tiany koa ny hanambara ny
herin’Andriamanitra amin’ny olona ankehitriny dia tsy maintsy ekeny fa ny olona
indrindra no hanirana azy, ary ho amin’ny fiainan’ny olona no ahitana ny
sitrapon’Andiamanitra izay te-hamonjy ny olona rehetra”.
Mila fanomanana matotra àry ny Sinaody satria
handalinantsika manokana ny fiainan’ny olona izy io. Hijerena izay manahirana
azy, ny hetahetam-po sy ny andraikitra maha-olona azy. Aoka hazava amintsika
jiaby fa raha hitan’ny Eglizy mazava izay ironan’ny fon’ny olona, raha tsapany
tsara izay ilain’ny olona sy ny faniriany lalina, dia ho azony atao mora ny
mitady fomba hanompoana an’ireo olona araka ny sitrapon’Andriamanitra.
Zava-dehibe ho an’ny fanambarana ny Evanjely ny fahaizan’ny Eglizy
mampifandrindra ireo rafitra enti-miasa hifanaraka amin’ny toe-tany sy ny
toe-tsain’ny olona isan-tsokajiny. Manantena antsika rehetra hitondra am-bavaka
io Sinaody voalohany ato amin’ny diosezintsika io.
Araka izay tenin’ny Eveka izay dia nisy ezaka sy dingana maromaro tokoa
no tsy maintsy nandalovana ka nahatongavantsika amin’izao vokatra azo amin’ny
Sinaody izao.
2-1 Taona
2016: Fanangonan-kevitra
Natao izay nahazoana araka izay tratara ny hevitra mivoitra avy tamin’ny
vahoaka sy ny kristianina rehetra isaky ny Paroasy. Nangonina ireo hevitra sy
tolo-kevitra ireo ka narafitra ho boky iray. Dinika sy fivoriana maro samihafa
no nahafahana namondrona sy nandamina ny sokajin-kevitra isan-karazany.
Nirafitra ho 12 ny lohahevitra voahangona tamin’ny boky voalohany dia ireto avy
izy ireo: Fianakaviana, Fanabeazana, Tanora, Fitantanana na ny fitondrana ny
vahoakan’Andriamanitra (Pastoraly amin’ny
ankapobeny), ny Fiainam-bahoaka, Fifandraisana sy ny Serasera na ny
fivoaran’ny hairaha vaovao, ny Olona ivelany sy anatiny, Mpitondra Fiangonana,
ny Relijiozy, Fiangonana Katolika sy ireo antokom-pivavahana samihafa, ireo
Ivon-toeram-piofanana (Centres de
formation), ny Tontolo iainana (environnement,
écologie).
Avy amin’ireo lohahevitra ireo indray no nanaovana dinika sy fandalinana
tany amin’ny Paroasy arakaraka ny fitsinjarana natao.
2-2
Taona 2017 : ekipa mpanentana
Natao izay hampisandrahaka ny ekipa mpanentana ny Sinaody ho eran’ny
Paroasy tsirairay. Vokatra izany, nahitana Lahika sy Masera ary Pretra io
rafi-panentanana io. Maro tsy ho voatanisa eto ny fivoriana samihafa tsy
maintsy nataon’ny ekipa io nandinihana ireo lohahevitra ireo sy ny fandaminana
isan-karazany hampandrosoana tsikelikely ny diniky ny Sinaody. Tsara anefa ny
mba hanasongadinana ireto manaraka ireto. Niantso solontena isaky ny Paroasy ny
ekipa mba handalinana miaraka ireo lohahevitra 12 ireo.
-
Ny volana
Desambra 2017 teto Fenoarivo:
nandinihana lohahevitra efatra: ny
Fianakaviana, Ivon-toeram-piofanana, ny Mpitondra Fiangonana ary ny Relijiozy.
2-3
Taona 2018
-
Ny volana mai
2018:
2. Tao Ampasimbe- Manantsatrana : ny 02-06 mai 2018:(Fanabeazana sy tanora)
3. Tao Sonierana Ivongo ny 02-06 mai 2018: (Fianambahoaka, Fitantanana ny
vahoakan’Andriamanitra, ny Olona ivelany sy anatiny, ny Tontolo iainana).
4. Tao Maroantsetra ny 09-13 mai 2018 :(Fiangonana Katolika sy ny
antokom-pivavahana rehetra, fifandraisana sy serasera ary ny fivoaran’ny
hairaha vaovao).
Ireo dinika samihafa ireo dia samy nananana solontena isaky ny Paroasy
tsirairay avy. Nivoatra tsikelikely ny dinika ary narafitra ho boky iray ny
vokatra ka nahazoana lohahevitra fito lehibe. Niha-hita taratra sy mivantana ny
fandraisan’anjara nataon’ireo Pretra tamin’ny dinika iarahana. Indroa miantoana
no dinika nataon’ny Pretra ka nifototra tanteraka tamin’ny lohahevitry Sinaody:
ny volana Aogositra tao Fenoarivo ary ny volana Septambra tao Mananara-
Avaratra (taorian’ny fankalazana ny faha-
10 taonan’ny Paroasy Md Joseph Sandrakatsy).
3. Ireo hevi-dehiben’ny Sinaody
3.1.
Anton’ny Sinaody
Maro ireo tebiteby sy ahiahy ary fanontaniana mampisavorovoro ny olona
eo amin’ny fiainana ankehitriny. Hita fa tsy mipaka eo amin’ny fiainana
andavan’andro ny Evanjely, raha mamaky ny zava-misy isika. Ilaina araka izany
ny mandinika sy mandalina ary mamakafaka ireo olana isankarazany iainan’ny
olona amin’izao andro diavintsika izao mba ahitana fomba mahomby sy tsara kokoa
eo amin’ny fitoriana ny Evanjelin’i Jesoa Kristy ary hitondrana ny olona any
amin’ny fiainana tsaratsara kokoa sy hahazoana ny fahasambarana.
3-2 Tanjona
kendren’ny Sinaody
Tsy dinika ka dinika
ihany ny Sinaody, ka sanatria ho fandaniam-potoana fa toy ny fivorian’ny
mpianakavy amorom-patana mba hamisavisana ny rahampitso. Ny Sinaody dia natao
mba “hahatonga ny Eglizy hitafy nofo (…)
hiorim-paka lalina amin’ny fomba amam-panaon’ny olona”. Araka izany, ny tanjon’ny
Sinaody ity dia ny “mba hinoan’ny olona
fa i Jesoa no Kristy zanak’Andriamanitra ary ny finoana azy no ahazoana ny
fiainana amin’ny Anarany” (Jn 20, 31). Tsy mifototra amin’ny tanjona
maha-olombelona fotsiny ity Sinaody ity fa mifandray tanteraka amin’ny
tanjon’ny Evanjely sy ny fitoriana azy: ho voavonjy ny olona rehetra!
3-3 Votoatin’ny
Sinaody
Nampifanarahana tsara amin’ny
antony mba hahazoam-bokatra tsaratsara kokoa eo amin’ny fampiharana azy. Raha
atao mivantana ny resaka, voafintina amin’ireto lohahevitra fito lehibe ireto
ny votoatin’ity Sinaody ity:
1-
Vavaka (fankalazana)
2-
Fandalinam-pinoana
3-
Fiainam-bahoaka
4-
Fanabeazana
5-
Mpitondra
Fiangonana
6-
Fisokafana
7-
Fitantanana
Ireo lohahevitra lehibe ireo no mandrafitra ny bokin’ny Sinaodintsika,
diosezin’ny Fenoarivo-Atsinanana.
Eto ampamaranana, tsara ny mampahatsiahy fa ezaka sy dinika niombonana
ny Sinaody ho fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny Diosezy
Fenoarivo-Atsinanana. Hevitra maro no nivoitra avy tao amin’ny fiainan’ny olona
ka ampifanarahina amin’ny hevitry ny Fiangonana sy ny Evanjely “Mba hinoan’ny olona fa i Jesoa no
Zanak’Andriamanitra ary ny finoana azy no hahazoana ny fiainana amin’ny
anarany” (Jn 20, 31).
Fénérive-Est, le 18 Février 2019
Père RAKOTOZAFY Frédéric
Lucien
Archiviste et Secrétaire du Diocèse
[1] - Tonga Olomasina taty aoriana
[2] - Ny
mpanao trano dia ny Entréprise du Bon Service na EBS, avy eto an-toerana ihany.
[3] - Fanazavana ny « Armoiries »
ny Tarigetram-piainan’ny Eveka : « Principales
ressources de la population, les rameaux de girofle, de riz et de vanille
symbolisent l’engagement de l’Eglise aux côtés des hommes et des femmes du
Diocèse de Fénérive-Est. Avec le Christ, vainqueur de la mort par sa croix et
guidée par l’Esprit Saint, l’Eglise locale de ce Diocèse situé en bordure de
l’Océan Indien est prête à traverser la mer. Sur la pirogue est écrit :
« Vaincre le mal par le bien, Rm. 12,21 »