Mba ho « Eglizy miara-dia » [Eglise
synodale] :
fiombonana, fandraisana anjara
ary asa fanirahana
Ambangovangon-kevitra
I. Antso hiara-dia
II. « Eglizy miara-dia » araka ny maha-izy azy
III. Eo am-pihainoana ny
Soratra Masina
I Jesoa, ny vahoaka, ny apôstôly
Fibebahana roa sosona:
i Piera sy i Kôrnely (Asa 10)
IV. Fampiharana ny Fiarahan-dia:
torolalana ho an’ny fakan-kevitra amin’ny Vahoakan’Andriamanitra
Ny fanontaniana fototra
Fomba maro isehoan’ny fiarahan-dia
Hevi-dehibe folo
hohalalinina
Ho fandraisana anjara
amin’ny fakan-kevitra
TAHIRIN-KEVITRA FANOMANANA
1. Antsoina hanatanteraka Sinaody ny
Eglizin’Andriamanitra. Hisokatra amin’ny fomba manetriketrika ny 9-10 ôktôbra
2021 any Rôma ny « dia », mitondra ny lohateny hoe « Mba ho
Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara
ary asa fanirahana », ary ny 17 ôktôbra kosa dia any amin’ny Eglizy any
an-toerana avy (diôsezy). Dingana iray lehibe amin’izany ny
fankalazana ny Fivoriambe faha-16 an’ny Sinaodin’ny Eveka amin’ny volana
ôktôbra 2023[1], izay harahin’ny
dingana handraisan’ny Eglizy isan-toerana anjara indray (jer. EC, and. 19-21). Amin’ity
fiantsoana ity, dia manasa ny Eglizy manontolo ny Papa
Fransoà mba hanontany tena mikasika ny lohahevitra iray manan-danja amin’ny fiainany
sy amin’ny asa anirahana azy: « Ny làlan’ny fiarahan-dia indrindra no lalana
andrasan’Andriamanitra amin’ny Eglizin’ny taon’arivo fahatelo »[2]. Sady fanomezana no
adidy io zotra io, ary tafiditra ao anatin’ny soritr’asan’ny fanavaozana ny
Eglizy araka ny vaninandro ankehitriny, izay nanoloran’ny Konsily Vatikana II hevitra:
rehefa miara-dia, ary miara-mandinika ny làlana efa nodiaviny ny Eglizy dia ho
afaka handray lesona, avy amin’ny traikefa efa niainana, hoe inona avy ireo dingana
afaka manampy azy hiaina ny fiombonana sy hanatanteraka ny fampandraisana anjara
ny rehetra ary hisokatra amin’ny asa fanirahana. Ny
fiarahantsika mizotra tokoa manko no manatanteraka sy maneho ny toetran’ny
Eglizy amin’ny maha-vahoakan’Andriamanitra andalam-pivahiniana sy misiônera
azy.
2. Fanontaniana fototra iray no manentana sy mitarika antsika:
ahoana no ahatanterahan’izany hoe « miara-dia » izany, amin’ny ambaratonga
maro samihafa (manomboka amin’ny Eglizy tsirairay eo
an-toerana ka hatrany amin’ny Eglizy maneran-tany), ka ahafahan’ny Eglizy
mitory ny Evanjely, araka ny iraka nankinina aminy; ary inona ny dingana andrasan’ny
Fanahy Masina amintsika hampiroboroboana ny maha-« Eglizy miara-dia » antsika?
Ny fiezahana hamaly miaraka io fanontaniana io dia mitaky
fihainoana ny Fanahy Masina, izay tahaka ny rivotra « mitsoka amin’izay
tiany ary henonao ny feony, fa tsy fantatrao izay niaviany sy halehany » (Jo 3,8),
ka isokafana mandrakariva amin’ireo zavatra tsy ampoizina, izay azo antoka fa homaniny
mialoha ho antsika eny an-dalana eny. Dia toy izany no iaingàn’ilay
fakana bahana ahafahana manangona ireo vokatra entin’ny fibebahana ho amin’ny
fiarahan-dia, vokatra hihamasaka tsikelikely. Tsy inona akory izany fa ireo
zava-kendrena manan-danja lehibe ho fanatsarana ny fiainan’ny
Eglizy sy ny fizotry ny asa fanirahana hitory ny Vaovao Mahafaly, izay
andraisantsika rehetra anjara noho ny fahasoavan’ny Batemy sy ny Fankaherezana.
Ndeha hosoritana eto àry ireo tsy azo ialàna amin’ireny
zava-kinendry ireny, dia ireo mamaritra ny fiarahan-dia ho endrika isehoan’ny
Eglizy, ho fomba fiasany ary ho firafiny:
-
mitadidy ny fomba nitantanan’ny Fanahy Masina
ny dian’ny Eglizy tao amin’ny tantara sy ny fomba iantsoany antsika ankehitriny
ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra;
-
miaina dingana andraisan’ny rehetra anjara eo
anivon’ny Eglizy, tsy anavahana na iza na iza, dia dingana ahafahan’ny
tsirairay – indrindra ireo atao anjorombala noho ny antony maro samihafa – maneho
hevitra sy misitraka ny zo hohenoina, mba hitondràny ny anjara birikiny amin’ny
fanorenana ny Vahoakan’Andriamanitra;
-
mamantatra sy mankamamy ny harenan’ny
fahasamihafan’ny fanomezana sy ny fanomezam-pahasoavana zarain’ny Fanahy Masina
amin-kalalahana ho fanasoavana ny ankohonam-piainana kristianina sy ho tombotsoan’ny
taranak’olombelona manontolo;
-
miezaka manome andraikitra ny tsirairay
amin’ny fitoriana ny Evanjely sy amin’ny firotsahana an-tsehatra hanorina
tontolo tsaratsara kokoa sy azo onenana;
-
mandinika ny fomba iainana ao amin’ny Eglizy ny
maha-tompon’andraikitra sy ny fahefana ary ny rafitra itantanana izany, ka vakiana
bantsilana sy ezahina hovàna ireo fitsaratsaràna be fahatany sy ireo fomba
fanao tsy mety tsy mifahatra amin’ny Evanjely;
-
mandray sy manao izay hahatonga ny ankohonam-piainana
kristianina ho mpikatroka azo inoana sy mpiara-miombon’antoka azo itokisana amin’ny
làlan’ny fifanakalozan-kevitra eo anivom-piaraha-monina, fanasitranana,
fampihavanana, tsy fanilikilihana sy fampandraisana anjara, amin’ny fanorenana
indray ny demôkrasia, fampiroboroboana ny fihavanana eo anivon’ny
fiaraha-monina;
-
mamelombelona
indray ny fifandraisana amin’ny samy mpikambana eo anivon’ny ankohonam-piainana
kristianina, torak’izany koa ny fifandraisan’ny ankohonam-piainana amin’ireo
vondrona sôsialy, ohatra ny ankohonam-piainan’ny mpino ao amin’ny Fiangonana
hafa sy ny fombam-pivavahana samihafa, ny fivondronan’ny fiarahamonim-pirenena,
ny firohotana isan-tsokajiny, sns.;
-
Manome lanja manokana sy mandray ny vokatry ny traikefa azo tamin’ireo sinaody natao vao
haingana, na io maneran-tany, na isam-paritra, na isam-pirenena na koa teo an-toerana.
3. Ity Tahirin-kevitra fiomanana ity dia mipetraka ho
fitaovana ampiasaina amin’ny dia iaraha-manatontosa, fa indrindra ho fitaovana
hanamoràna ny dingana voalohany, dia ny fakan-kevitra sy fihainoana ny
vahoakan’Andriamanitra any amin’ireo Eglizy any an-toerana na diôsezy (ôktobra
2021 - aprily 2022), izay antenaina fa hanampy amin’ny famoahana hevitra sy amin’ny
fanoritsoritana ny ezaka hatao ary hampisongadinana ny fahaiza-mamorona ananan’ireo
rehetra handray anjara amin’ny zotra iombonana, ary hanamora ny fampivondronana
ny vokatry ny fandraisan’izy ireo andraikitra.
Mba hahatratrarana izany, ity Tahirin-kevitra dia 1) manomboka
amin’ny fanoritsoritana ireo toetoetra manokana manamarika ny zava-misy ankehitriny ;
2) mampahafantatra fohifohy ireo hevitra fototra ara-teôlôjia mba hahazoana
tsara ny hoe fiarahan-dia, ary hampiharana azy araka ny tokony ho izy ; 3)
manolotra soso-kevitra ara-tSoratra Masina hanomezana aina ny fandinihana am-bavaka
eny am-pizorana ; 4) manoritsoritra fijery sasantsasany mibanjina ny ho avy,
izay hiaingàna handinihana sy hijerena indray ireo traikefam-piarahan-dia efa
niainana ; 5) mampiseho torolàlana sasantsasany mba hahatsara petrapetraka
an’ity asa famakiana indray ity ao anatin’ny vavaka sy ny fifampizaràna.
Mba hampizotra tsara ny
fandaminana ny asa, dia misy Vademecum (sori-dàlana) mirakitra
ny fomba fiasa, ampiarahina amin’ity Tahirin-kevitra Fiomanana ity ary azo
jerena ao amin’ny tranon-kalam-pifandraisana natokana ho an’izany[3]. Hita ao amin’io
tranon-kalam-pifandraisana io koa ireo loharanon-kevitra sasany ho fandalinana
ny lohahevitra mikasika ny fiarahan-dia, hanatevin-daharana an’ity Tahirin-kevitra
Fiomanana ity ; atsidikay manokana manaraka eto ny roa amin’ireny, izay
voatanisa matetika : ny Lahateny tamin’ny
Fahatsiarovana ny faha-50 taona nananganana ny Sinaodin’ny Eveka, nataon’ny Papa
Fransoà ny 17 ôktôbra 2015, sy ny Tahirin-kevitra Ny fiarahan-dia ao
amin’ny fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy, nomanin’ny Commission Théologique
Internationale (CTI) [Vaomiera Iraisam-pirenena momba ny
Teôlôjia] ary navoaka tamin’ny taona 2018.
I. Antso « hiara-dia »
4. Ao anatin’ny toe-java-misy ara-tantara voamariky ny fiovana goavana eo amin’ny fiaraha-monina sy voamariky ny
fiampitàna manan-danja eo amin’ny fiainan’ny Eglizy, izay tsy azo odian-tsy
hita, no tanterahina ny dia iaraha-manatontosa. Ao anatin’ny
fahasarotan’ireo toe-java-misy ireo, ao anatin’ny fifandonana amam-pifanoherana
ao aminy, no iantsoana antsika « handinika ireo famantarana manambara ny
vaninandro sy hivaofy azy eo ambany fanilovan’ny Evanjely » (FAA, lah.
4). Ny sasany amin’ireo singa amin’ny
zava-miseho maneran-tany, izay mifandray akaiky amin’ny lohahevitry ny Sinaody
ihany no atsidika ato, fa hohatevenina sy hofenoina any amin’ny sehatry ny
Eglizy any an-toerana kosa ny famaritana ny tena toe-javatra.
5. Ny loza mahazo ny eran-tany, tahaka ny valan’aretina
Covid-19 ohatra, « dia niteraka fahatongavan-tsaina fa ankohonana
miara-miondrana ao anaty lakana iray izao tontolo izao, ka ny voina mahavoa ny
iray dia mahatratra ny rehetra : tsaroantsika
tsara fa tsy misy afa-mamonjy tena samirery, fa tsy maintsy miaraka ihany »
(Fratelli Tutti - FT [Mpirahalahy avokoa], lah. 32). Miaraka amin’izay
dia nampirongatra izay tsy izy ny tsy fitoviana sy ny tsy rariny efa nisy iny
valan’aretina iny : miha-mahazo laka ny fiheverana
ny tsirairay ho isan’ny sarambabem-bahoaka fotsiny ary voazarazara ny
taranak’olombelona ; ny toe-javatra mampivarahontsana iainan’ireo mpitsoa-ponenana
amin’ny faritra rehetra amin’izao tontolo izao dia maneho fa avo be sy tena
mafy ireo sakana mampisaraka ny fianakavian’ny taranak’olombelona izay tokana
ihany. Velabelarin’ireo Taratasy Ansiklika Laudato Si’ (Hoderaina anie Ianao) sy Fratelli tutti (Mpirahalahy avokoa) ny halalin’ny
fizarazarana manenika sy mandrotika ny taranak’olombelona, azontsika atao ny
mifahatra amin’ireny famakafakana ireny, mba hihainoantsika ny tarainan’ireo
mahantra mbamin’ny tany, ary hamantarantsika ny masombolin’ny fanantenàna sy ny
hoavy izay mbola ampitsimohan’ny Fanahy Masina na amin’izao androntsika izao
aza : « Tsy mandao na mamoy antsika ny Mpahary, tsy mihemotra
velively amin’ny fikasam-pitiavany Izy, ary tsy nanenina nahary antsika. Mbola manana ilay fahafahana sy fahaizana miara-miasa mba
hanorenana ny tranobe iombonantsika ny taranak’olombelona » (LS,
lah. 13).
6. Mampiombona ny fianakavian’ny olombelona manontolo
io toe-javamisy io, na dia miseho amin’ny fomba samihafa arakaraka ny toerana aza,
ary mitaky ny fahaizana sy ny fahavitan’ny Eglizy miara-dàlana amin’ny olona sy
ny ankohonam-piainana, ahafahan’izy ireo manao jery todika amin’ireo fisaonana
sy fijaliana niainany, izay nampiharihary ireo filaminana manodòka, sy namolavola
fanantenana ary finoana ny hatsarampon’Ilay Mpahary sy ny hatsaràn’ny
zavaboaariny. Tsy azo afenina amintsika anefa fa ny
Eglizy tenany mihitsy no tsy maintsy miatrika ny tsy fahampian’ny finoana sy ny
fahalovana na dia ao anatiny aza. Tsy azontsika hadinoina indrindra indrindra ny fijaliana niaretana zaza tsy ampy taona maro sy olona
marefo noho « ny fanararaotana ara-nofo, fanararaotam-pahefàna na tsindry konsiansy
nataon’olom-piangonana sy olom-boatokana marobe »[4]. « Amin’ny maha-Vahoakan’Andriamanitra
tokony hitondra ny fanaintainan’ny rahalahintsika maratra ao amin’ny nofony sy
ny fanahiny antsika »[5] no anairana tsy miato
antsika: nandritra ny fotoana naharitra ela, dia tsy
hain’ny Eglizy ny nihaino tamin’ny fomba ampy sy sahaza ny hiakiakan’ireo
niharam-boina ireo. Ratra lalina sarotra sitranina izany, ka tsy ho ampy na
oviana na oviana ny fangatahantsika famelàna ny amin’izy ireny, ary ratra zary
sakana, matetika tsy azo ihoarana, tsy ahafahana mandroso amin’ny lalan’ny
fiarahan-dia. Ny Eglizy manontolo dia antsoina hiatrika
ny vesatry ny kolontsaina vonton’ny fitsabahan’ny
olom-piangonana be loatra amin’ny raharaham-piaraha-monina (cléricalisme), izay
nolovainy tamin’ny tantarany, ary hiatrika ny vesatry ny kolontsaina vontona endrika fampiharana
fahefàna mifandrirotra amina karazana endri-panararaotana maro (fahefàm-pitondràna,
fihariana, ara-kônsiansy, ara-nofo). Tsy azo eritreretina izany hoe
« fiovana na fihavaozan’ny Eglizy amin’ny fanaony raha tsy misy
fandraisana anjara mavitrika ataon’ireo rantsa-mangaika rehetra amin’ny
vahoakan’Andriamanitra »[6] : aoka isika
hiara-mangataka amin’ny Tompo « ny fahasoavan’ny fibebahana sy ny fanosorana
anaty mba hahafahantsika maneho ny fanenenantsika sy ny fahatapahan-kevitsika
hitolona an-kasahiana manoloana an’ireo heloka vokatry ny fanararaotana
ireo »[7].
7. Na eo aza ny
fivadibadihantsika, dia manohy miasa ao amin’ny tantara ny Fanahy Masina ary
manohy maneho ny heriny mamelona. Fa ao amin’ireo soritra nofaritan’ny
fijaliana isan-karazany niaretan’ny fianakavian’olombelona sy ny vahoakan’Andriamanitra indrindra, no iroboroboan’ny fomba
fiteny vaovao maneho finoana sy dingana vaovao; tsy hoe ahafahana mivaofy ny
zava-mitranga araka ny fomba fijery teôlôjika fotsiny ihany, fa koa ahitàna ao amin’ny
fisedràna ny antony hanorenana indray ny lalan’ny fiainana kristianina sy ny
lalana izoran’ny Eglizy. Mahavelom-bolo ny mahita Eglizy
maro nanao fihaonana sy dingam-pakan-kevitra tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, izay
azo lazaina fa voarafitra tsara. Tany amin’ny toerana nandaminana azy ireny
araka ny fomba fanao sy fiasa ampiharana ny fiarahan-dia,
dia velombelona indray ny fahatsapàna ny atao hoe Eglizy, ary ny fandraisana
anjaran’ny rehetra dia nanome ainga vao ho an’ny fiainam-piangonana. Nahazo
rariny sy fanamafisana koa ny
fanirian’ireo tanora handray andraikitra eo anivon’ny Eglizy ary ny fangatahana
mba hanomezan-danja bebe kokoa ny vehivavy sy hanolorana azy ireo sehatra
handraisana anjara amin’ny iraka ampanaovina ny Eglizy, izay natsidika tao
amin’ny Fihaonambe Sinaodalin’ny taona 2018 sy 2019. Dia mizotra ao amin’io
soritra io ihany koa ny nampijoroana vao tsy ela ny
asa fandraharahàna sahanin’ny lahika ataon’ny katesista sy ny nanokafana
amin’ny vehivavy ny asa fandraharahan’ny famakian-teny (lectorat) sy ny
fanotronana amin’ny litorjia (acolytat).
8. Tsy azontsika odian-tsy fantatra koa ny fahasamihafan’ny toe-javatra iainan’ny ankohonam-piainana
kristianina any amin’ny faritra maro manerana an’izao tontolo izao. Any amin’ny
firenena sasany dia saika ny ankamaroan’ny mponina no mirafitra ho rantsam-batan’ny
Eglizy ka ataon’ny fiaraha-monina ho tondro famantarana ara-kolontsaina ity farany;
fa any amin’ny firenena hafa kosa dia tena vitsy an’isa ny katôlika; any
amin’ny firenena sasany aza dia miaritra fanenjehana amin’ny endriny maro, eny
hatramin’ny herisetra aza, ny katôlika miaraka amina mpino kristianina hafa,
ary matetika no isehoan’ny fanaovana martiry. Etsy andaniny dia manjaka ny toe-po
anjakan’ny fisainan’izao tontolo (sécularisation) izay mitady hanilika ny fivavahana
tsy ho eo amin’ny sehatry ny fiainam-bahoaka, etsy ankilany indray dia misy ilay
fonjan-kevitra andraisana an-tendrony amin’ny lafiny ara-pivavahana (intégralisme
religieux), izay tsy manaja ny fahafahan’ny hafa ary mikotrika endrika tsy
fandeferana sy herisetra, izay hita taratra na ao amin’ny ankohonam-piainana
kristianina sy ao amin’ny fifandraisany amin’ny fiaraha-monina aza. Matetika
koa no manana toe-tsaina toy izany ny kristianina,
mikononkonona fisaratsarahana sy fanoherana na eo anivon’ny Eglizy aza. Tsy
maintsy heverina koa ny fomba
fiantraikan’ny fisaraham-bazana mandrotika ny fiaraha-monina
ao amin’ny ankohonam-piainana kristianina sy amin’ny fifandraisany amin’io
fiaraha-monina io, noho ny antony ara-poko, ara-pirazanana, ara-tsaranga na arak’endri-panasokajiana
hafa anivom-piaraha-monina na noho ny herisetra ara-kolontsaina sy
ara-drafitra. Misy fiantraikany lalina amin’ny hevitry ny
« fiarahan-dia » ireo toe-javatra ireo, ary misy fiantraikany ihany
koa amin’ny fahafahana manatanteraka azy.
9. Ao anatin’izany toe-java-misy izany, dia ny fiarahan-dia no lalam-be fototra ho an’ny Eglizy, izay
antsoina hihavao eo ambanin’ny asan’ny Fanahy Masina ary noho ny fihainoana ny
Tenin’Andriamanitra. Ezaka takìna amin’ny Eglizy ny
fampisiana dingana hihainoana ny hafa, dingana ifanakalozan-kevitra ary
iarahan’ny ankohonam-piainana mandinika, izay handraisan’ny tsirairay sy ny
daholobe anjara ary hitondràny ny anjara birikiny. Miankina be dia be amin’io
ezaka io no hahafahana mamolavola hoavy hafa ho an’ny
Eglizy sy ho an’ireo rafitra ao aminy, hoavy mifanentana amin’ny iraka
noraisiny. Miaraka amin’izay, ny safidy « hiara-dia »
dia famantarana ara-paminaniana ho an’ny fianakavian’ny olombelona izay mila vinan’asa
iraisana afaka mikatsaka izay mahasoa ny rehetra.
Ny Eglizy mahay miombona sy anjakam-pirahalahiana, mahay
mampandray anjara sy manome ny tsirairay ny anjara toerana
sahaza azy, ary tsy mivadika amin’izay torìny, dia ho afaka miara-dàlana
amin’ny mahantra sy ny madinika indrindra, ary ho afaka mitondra ny feon’izy
ireo. Mba hizorana miaraka dia ilaina ny hanekentsika hobeazin’ny Fanahy Masina
ho amin’ny toe-tsaina tena vonon-kiara-dia, ka hiditra amin-kasahiana sy
amin-kalalahana ao amin’ny dingam-pibebahana; raha tsy misy manko io dingam-pibebahana
io, dia tsy ho azo tanterahina velively « ny fanavaozana tsy miato
ilain’ny Eglizy amin’ny maha-rafitra ikambanan’olombelona eto an-tany
azy » (EK na Soridalana momba
"Ny Ekiomenisma", lah.6 ; jer. EG, lah. 26).
II. « Eglizy miara-dia » araka ny maha-izy azy.
10. « Ny zavatra
angatahin’ny Tompo amintsika, amin’ny lafiny iray, dia efa voarakitra ao
amin’ny teny hoe Sinaody »[8], izay teny
« tranainy ary nomena lanja tao amin’ny Lovam-panahin’ny Eglizy, ny heviny
dia mampahatsiaro ireo votoaty lalin’ny Fanambaràna »[9]. « Izy Tompo
Jesoa no mampahafantatra ny tenany ho "lalana sy fahamarinana ary fiainana"
(Jo 14,6) »,
ary « ny kristianina, izay manaraka Azy, no nantsoina hoe "mpianatry
ny lalana" tany am-boalohany (jer. Asa 9,2;
19,9.23; 22,4; 24,14.22) »[10]. Araka io fijery io,
dia mihoatra lavitra noho ny fankalazana fihaonana eo anivon’ny Eglizy sy ny
fivoriamben’ny eveka, na resaka fitantanana anaty ao amin’ny Eglizy ny fiarahan-dia ;
izany dia « manambara ny fomba fiaina sy fomba fiasan’ny Eglizy Vahoakan’Andriamanitra
izay maneho sy manatanteraka amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny maha-fiombonana
azy, ao amin’ny fizorana miaraka, ao amin’ny fihaonany
mba hivory ary ao amin’ny fandraisana anjara mavitriky ny
mpikambana ao aminy amin’ny asa fitoriana ny Evanjely »[11]. Araka izany dia
mifaningotra ireo lohahevitra atolotry ny lohatenin’ny
Sinaody ho teza ihodinan’ny « Eglizy miara-dia »: fiombonana,
fandraisana anjara ary asa fanirahana. Soritantsika ato amin’ity toko ity ireo foto-kevitra
ara-teôlôjia ifaharan’io fomba fijery io.
11. Tamin’ny taon’arivo voalohany, ny
hoe « miara-mizotra », izany hoe mampihatra ny fiarahan-dia, dia
fomba fiasa nahazatra ny Eglizy amin’ny maha-« Vahoaka novorìn’ny
firaisan’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina »[12] azy. Ireo izay nampizarazara
ny Eglizy vatana dia nampifanoherin’ny Aban’ny Eglizy tamin’ny fiombonan’ny Eglizy
miely patrana manerana an’izao tontolo izao, izay nofaritan’i Md Augustin ho «concordissima fidei
conspiratio»[13], izany hoe : fiombonana ao amin’ny finoan’ny vita Batemy
rehetra. Ao amin’izany no miorim-paka ny fivelaran’ny fomba fiaina sy fomba fanao
ampiharana ny fiarahan-dia amin’ny ambaratonga rehetra ao amin’ny fiainan’ny
Eglizy -eo an-toerana, amin’ny faritra, maneran-tany-, izay niseho tamin’ny
endriny faratampony tao amin’ny Konsily Ekiomenika. Tao amin’io tontolon’ny
Eglizy io, no nahafahan’i Md Jean Chrysostome nilaza
fa « mitovy ny hevitry ny teny hoe Eglizy sy ny teny hoe Sinaody »[14], rehefa notsilovin’ny
fitsipika fototra mikasika ny fandraisana anjaran’ny rehetra amin’ny fiainam-piangonana
izy. Tamin’ny taon’arivo faharoa, na dia nanantitrantitra mafy momba ny asa
sahanin’ny ambaratongam-pitantanana aza ny Eglizy, dia tsy latsa-danja akory io
fomba fiasa nampiharana ny fiarahan-dia io : raha toa mantsy ka efa nisy sy
nankatoavina, tetsy ankilan’ny Konsily Ekiomenika, ny fankalazàna sinaody diôsezanina
sy isam-paritra tamin’ny vanim-potoana medievaly sy môderna, dia sitraky ny
Papa koa ny naka ny hevitry ny Eveka mba hahalalàna ny finoan’ny Eglizy manontolo,
tamin’ny famaritana amam-panolorana ireo fahamarinana tsy maintsy inoana
(dôgma), ka nitodihana sy niantsoana vonjy tamin’ny fahefan’ny fahatsapam-pinoan’ny
vahoakan’Andriamanitra manontolo, izay « tsy mety diso rehefa mino »
(EG, lah. 119).
12. Ao amin’io hery ananan’ny Lovam-panahy io no miorim-paka ny Konsily Vatikana II. Asongadiny fa
« sitrak’Andriamanitra ny hanamasinana sy hamonjena
ny olombelona, tsy misingantsingana nefa koa tsy miankina amin’izay mety ho
fifamatorana amin’izy samy izy, fa sitrany ny hampijoro azy ho vahoaka iray hankato
Azy anatin’ny fahamarinana sy hanompo Azy amim-pahamasinana » (FF, lah. 9).
Ampiraisin’ny Batemy ireo rantsam-batan’ny vahoakan’Andriamanitra, ary « na
dia sitrak’i Kristy ho mpampianatra aza ny sasany, mpitantana ny mistery ary
mpiandry hahasoa ny hafa ny sasany, dia misy fitoviana torosy tanteraka eo
amin’izy ireo, mikasika ny fahamendrehena sy ny asa handrafetana ny Vatan’i
Kristy, izay iombonan’ny Mpino rehetra » (FF, lah. 32). Noho izany,
dia mpandray anjara amin’ny adidy maha-mpisorona, maha-mpaminany ary maha-mpanjaka
an’i Kristy ny vita batemy rehetra, « amin’ny fitantanana
ny harenan’ny fanomezam-pahasoavany izay miseho amin’ny endrika maro sy
mirindra, ny harenan’ny fiantsoana sy ny asa fanompoana »[15], ka tonga mpiantsehatra
mavitrika amin’ny fitoriana ny Evanjely, na mandeha irery izany na miaraka
amin’ny vahoakan’Andriamanitra manontolo.
13. Nantitranterin’ny Konsily fa noho ny fanosorana
avy amin’ny Fanahy Masina noraisina tamin’ny Batemy, dia « tsy mety ho
diso amin’ny finoana ny fitambaram-ben’ny Mpino, ary io sata manokana ananany
io dia asehony amin’ny fahatsapam-pinoana sopernatoralin’ny
Vahoakan’Andriamanitra manontolo, rehefa aharihariny ny fanekeny iombonambe maneran-tany
mikasika ny finoana sy ny fitondran-tena, manomboka amin’ny Eveka ka hatrany
amin’ny mpino lahika madinika indrindra » (FF, lah. 12). Ny Fanahy Masina
no mitarika ny mpino « amin’ny marina rehetra » (Jo 16,13).
Noho ny asany, dia « miroborobo ao amin’ny Eglizy ny Lovam-panahy
noraisina tamin’ny Apôstôly », satria ny vahoakan’Andriamanitra manontolo
dia mitombo amin’ny fahazoana sy amin’ny traikefan’ny « zavatra sy ny teny
nampitaina, na tamin’ny fibanjinana sy ny fianarana ataon’ny mpino izay mandinika
izany ao am-pony (Lk 2,19.51) ; na
amin’ny fahazoany ny zava-panahy avy amina traikefa lalina kokoa, na amin’ny
alalan’ny fitorian-tenin’ireo nahazo fanomezam-pahasoavana, izay azo antoka fa
manambara ny fahamarinana, dia ireo Eveka nifandimby » (FA, lah. 8). Io
vahoaka vorìn’ny Mpiandry Ondry io tokoa manko dia
mifikitra amin’ny tahiry masin’ny Tenin’Andriamanitra nankinina amin’ny Eglizy,
mitozo tsy miato amin’ny fampianaran’ny Apôstôly, ao amin’ny
fiombonam-pirahalahiana, amin’ny fizaràna ny mofo sy ny fivavahana, « ka
rehefa mitahiry sy mampihatra ary manambara ny finoana nampitaina izy ireo, dia
misy fiombonam-panahy miavaka eo amin’ny Mpiandry sy ny Mpino » (FA, lah. 10).
14. Noho izany dia aoka tsy hatahotra ny hihaino ny
andian’ondry nankinina aminy ireo Mpiandry ondry, izay natsangan’Andriamanitra
ho « mpitahiry azo antoka, mpivaofy sy vavolombelon’ny finoan’ny Eglizy
manontolo »[16] : ny fakan-kevitra
amin’ny vahoakan’Andriamanitra anefa dia tsy midika hoe fandraisana sy
fampiharana eo anivon’ny Eglizy ireo fitsipika manentana ny demôkrasia, izay mifototra
amin’ny lalànan’ny maro an’isa, satria fitiavana iombonana mirehidrehitra amin’ny
asa fitoriana ny Evanjely no fototry ny fandraisana anjara amin’ny dingan’ny
fiarahan-dia, fa tsy fisoloana tena itakiana tombontsoa ifanoherana. Raha
lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy inona izany fa dingana iray eo anivon’ny Eglizy, izay tsy mety ho tanteraka raha tsy
« ao anatin’ny ankohonam-piainana misy ambaratongam-pitantanana
voarafitra »[17]. Rehefa mifandray
tsara ka mitondra vokatra ny fahatsapam-pinoan’ny Vahoakan’Andriamanitra
sy ny asana mpampianatra iantsorohan’ny Mpiandry ondry, dia tanteraka fiombonan-kevitry
ny Eglizy manontolo ao anatin’ny finoana iray ihany. Endrika mihariharin’ny « fiarahan-dia »,
izay mampitombo sy mampivelatra ny Eglizy, ny dingan’ny
fiarahan-dia tsirairay avy; ao indrindra no iantsoana ny eveka hamantatra izay
lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy, tsy mandeha irery anefa izy fa mila mihaino ny
Vahoakan’Andriamanitra, izay « mandray anjara ihany koa amin’ny adidy
maha-mpaminany an’i Kristy » (FF, lah. 12). Nantitranterin’i
Md Benoît fa « matetika ny Tompo no manambara ny
fanapahan-kevitra tsara »[18] amin’izay
tsy manana anjara toerana lehibe eo anivon’ny ankohonam-piainana, eto amin’ity
tranga ity dia amin’ny tanora indrindra izany. Torak’izany koa dia tokony
hoheverin’ny eveka ny fomba hampandraisana anjara ny
rehetra, mba ho tanteraka ao amin’ny fizotran’ny dia iaraha-manatontosa, ilay
nanafaran’i Paoly apôstôly an’ireo ankohonam-piainana hoe: « Aza mamono ny
Fanahy Masina. Zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara » (1Tes 5,19-21).
15. Voalohany indrindra, ny
hevitry ny "dia" iantsoana antsika rehetra dia ny hahitana ny toetra
sy ny endriky ny « Eglizy miara-dia », fa « manana zavatra
ianarana ao ny tsirairay. Mifampihaino izy rehetra: dia ny vahoakan’Andriamanitra,
ny fivondronamben’ny eveka, ny Evekan’i Rôma ;
ary samy mihaino ny Fanahy Masina, dia ilay "Fanahin’ny fahamarinana"
(Jo 14,17), mba
ahafantarana izay "lazainy amin’ny Eglizy" (Ap 2,7) »[19]. Angatahin’ny Evekan’i
Rôma, izay loharano sy fototry ny fiombonan’ny Eglizy,
ny hidiran’ny eveka rehetra sy ny Eglizy any an-toerana avy amim-pitokisana sy
fahasahiana, ao amin’ny lalan’ny fiarahan-dia, fa ao amin’ireny Eglizy any
an-toerana ireny no misy ny Eglizy katôlika iray sy tokana aman-tany, ary izy
ireny koa no mampisy azy (jer. FF, lah.23). Ao amin’io « fiarahan-dia »
io, dia angataho ny Fanahy Masina mba hampahitàny antsika ny maha-zava-dehibe
ny fiombonana amin’ny asa fanirahana, dia ilay fiombonana mampivondrona ho iray
ny fanomezana sy ny fanomezam-pahasoavana ary ny fanompoana samihafa :
ny « Eglizy miara-dia » dia Eglizy "mivoaka", Eglizy
misiônera, Eglizy « manokatra ny varavarany » (EG, lah. 46). Voaray ao
anatin’izany ny antso handalina ny fifandraisana amin’ny
Fiangonana sy amin’ny ankohonam-piainana kristianina hafa, dia ireo
ampiraisin’ny Batemy tokana amintsika. Mbola mivelatra bebe kokoa noho izany anefa
ny sehatry ny « fiarahan-dia », satria mahakasika
ny taranak’olombelona manontolo izy io, dia ireo « iombonantsika hafaliana
sy fanantenana, ary fahoriana sy tebiteby » (FAA, lah. 1). Ny « Eglizy miara-dia » dia famantarana
maha-mpaminany, indrindra ho an’ny ankohonam-pirenena tsy afa-manolotra vinan’asa
iombonana, hanatrarana ny soa ho an’ny besinimaro: ny fampiharana ny fiarahan-dia
dia fomba iray miharihary ho an’ny Eglizy, hijoroany ho
« sakramentam-pamonjena ho an’izao tontolo izao » (FF, lah.48) sy ho « famantarana
sady fitaovana hanatanterahana ny fiombonana lalina amin’Andriamanitra sy ny firaisan’ny
taranak’olombelona rehetra » (FF, lah. 1).
III. Eo am-pihainoana
ny Soratra Masina
16. Io Fanahin’Andriamanitra io
ihany, izay niasa tao amin’ny iraka notontosain’i Jesoa, Ilay Fanahy Masina nampanantenaina
ny apôstôly sy ny mpianatra amin’ny taona mifandimby, dia ireo izay mihaino ny
Tenin’Andriamanitra sy manatanteraka izany, no Fanahy manilo sy mamelona an’io
« fiarahan-dia » io. Tsy mihanona amin’ny fanamafisana ny
fitohizan’ny Evanjelin’i Jesoa araka ny fampanantenan’ny Tompo fotsiny ny Fanahy
Masina, fa hanilo ny halalina vaovaon’ny Fanambaràny sy hanolo-tsaina ho
amin’ny fanapahan-kevitra ilaina hanohanana ny dian’ny Eglizy (jer Jo 14,25-26;
15,26-27; 16,12-15). Noho izany dia ilain’ny ‘dia’ ataontsika, ho fanorenana « Eglizy
miara-dia », ny manovo hevitra amina kisary
anankiroa voalaza ao amin’ny Soratra Masina. Ny voalohany dia mipoitra avy
amin’ny fampisongadinana ny lafiny maha-ankohonam-piainana, izay miara-dàlana
lalandava amin’ny làlan’ny fitoriana ny evanjely; ny faharoa indray dia
mifandraika amin’ny traikefa ananana momba ny Fanahy Masina, tao amin’io traikefa
io manko no nieken’i Piera sy ny Eglizy tany am-piandohana, fa mety hitera-doza
ny fametrahana fetra na fepetra tsy dia mitombona loatra amin’ny fizaràna ny
finoana. Ny traikefa iaraha-mampihatra ny « fiarahan-dia »
dia ho afaka handray tolokevitra tsy iverenan-dàlana, avy amin’ny fandinihana
ireo vanim-potoana roan’ny Fanambaràna: dia ny vanim-potoana nanarahan’ny
apôstôly ny Tompo sy ny vanim-potoana nanekeny hotarihin’ny Fanahy Masina.
Jesoa, ny vahoaka, ny
apôstôly
17. Tamin’ny nitorian’i Jesoa ny
fiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia misy singa iray tsy miova nentiny nanambara
ny tenany ao amin’ny Evanjely: miavaka tokoa izy io raha ny firafiny no jerena.
Telo (miampy iray hafa) ireo mpiantsehatra mandray anjara.
Mazava ho azy fa i Jesoa no voalohany, ilay mpiantsehatra tsy iadian-kevitra
izay nandray ny finiavana, namafy ny teny sy ny
famantarana ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, tsy nisy « fizahan-tavan’olona »
(jer. Asa 10,34).
Notsinjovin’i Jesoa manokana tamin’ny fomba maro ireo
"tafasaraka" tamin’Andriamanitra sy « narian’ny ankohonam-piangonana
(ny mpanota sy ny mahantra, araka ny fomba fiteny evanjelika). Nanolotra
fanafahana tamin’ny ratsy sy fibebahana ho amin’ny fanantenana tamin’ny
anaran’Andriamanitra Ray sy tao amin’ny herin’ny Fanahy Masina, tamin’ny
alalan’ny teniny sy ny fihetsiny i Jesoa. Na samihafa
aza ny fiantsoana sy ny fomba famaliana ny fandraisana ny Tompo, dia nisy hatrany
ny soritra niombonana, dia ny hoe miseho mandrakariva ho toy ny fanomezan-danja
ny olona ny finoana: nohenoina ny fitarainany, nomena fanampiana izy tamin’ny
zava-manahirana azy, nankamamiana ny fahavononany, nohamafisin’ny
fijerin’Andriamanitra ny fahamendrehany ary voaverina amin’ny laoniny ka
nankatoavin’ny ankohonam-piainana.
18. Ny asa fitoriana ny Evanjely sy ny hafa-pamonjena tokoa
mantsy dia tsy mety ho takatry ny saina, raha tsy eo ny fisokafana tsy miato
ataon’i Jesoa amin’olona maro kokoa araka izay tratra; ireny no lazain’ny
evanjely fa vahoaka, na koa fitambaran’ireo olona nanaraka azy teny an-dalana,
ary indraindray aza dia manjohy Azy hatraiza hatraiza noho ny fanantenany hahita
famantarana na handre tenim-pamonjena iray. Dia io
vahoaka io no mpiantsehatra faharoa ao amin’ny fizotry ny Fanambaràna. Tsy
olom-bitsy nahazo fanilovana na voafidy mialoha manko
no nitoriana ny Evanjely. Ny vahoaka ankapobeny, izany
hoe ireo rehetra niaina ny toetra maha-olombelona, no niresahan’i Jesoa, nampifandraisiny
mivantana tamin’ny fanomezan’Andriamanitra sy tamin’ny fiantsoana ho amin’ny
famonjena. Gaga ireo vavolombelona ary indraindray aza dia tafintohina, fa nanaiky
hiresaka tamin’ireo rehetra nipoitra avy amin’ny sarambabem-bahoaka i Jesoa:
nohenoiny ny fitarainana feno hafanampon’ilay vehivavy
Kananeanina (jer. Mt 15,21-28), izay tsy nanaiky
ny ho voahilika tsy hahazo ny tsodrano nentiny; nekeny ny hiresaka tamin’ilay
vehivavy Samaritanina (Jo 4,1-42), na dia
vehivavy voageja teo amin’ny lafim-piaraha-monina sy ara-pivavahana aza io; notarihiny
hanao fihetsika maneho finoana an-kalalahana sy fiekena Azy ilay teraka jamba (Jo 9), izay nailiky ny
fivavahana ôfisialy ho toy ny vahiny any ivelan’ny faritry ny fahasoavana.
19. Ny sasany tamin’ireo vahoaka ireo dia nanaraka
an-karihary an’i Jesoa, niezaka tsy nivadika amin’ny maha-mpianatra; ny hafa kosa nasaina hiverina any amin’ny fiainany andavanandro:
samy mijoro ho vavolombelon’ny herin’ny finoana namonjy azy ireo avy anefa izy
rehetra (jer. Mt 15,28).
Nisongadina indrindra tamin’ireo nanaraka an’i Jesoa ny
apôstôly, izay nantsoiny hatramin’ny voalohany, natokany ho mpanelanelana nomena
fahefàna hisahana ny fifandraisan’ny vahoaka amin’ny Fanambaràna sy amin’ny
fiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny fidiran’io antokon’olona
fahatelo io an-tsehatra dia tsy mba avy amin’ny fanasitranana na fibebahana, fa
mifanojo indrindra amin’ny fiantsoan’i Jesoa. Ny
fiantsoana ny apôstôly dia tsy tombontsoa miompana amina toerana ananana fahefàna
anilihana ny hafa na tombontsoa vokatry ny fisarahana amin’ny hafa, fa
fahasoavan’ny fandraharaham-panompoana iray mitondra tsodrano sy fiombonana,
tsy anavahana na iza na iza. Noho ny nanomezana ny
Fanahy Masin’ny Tompo nitsangan-ko velona, dia tsy maintsy ho sarotiny amin’ny toeran’i
Jesoa ny apôstôly, kanefa koa tsy hisolo Azy: tsy hametraka sivana amin’ny
fifandraisan’ny olona Aminy, fa hanamora ny fihaonana Aminy.
20. Jesoa, ny vahoaka ao
amin’ny fahasamihafàny, ny apôstôly: io ilay kisary ary mistery hobanjinina sy
hohalalinina lalandava mba hahatonga ny Eglizy araka ny maha-izy azy hatrany. Tsy misy afaka miala an-daharana ireo mpiantsehatra telo ireo.
Raha tsy eo i Jesoa dia tsy maintsy hisy olon-kafa haka
ny toerany, amin’izay dia lasa fifanarahana amin’ny apôstôly sy ny vahoaka fotsiny
ny Eglizy, ka hiafara tahaka ny teti-panorona pôlitika ny fifampiresahan’izy
ireo. Raha tsy eo ny apôstôly nomen’i Jesoa alalana sy
notoroan’ny Fanahy hevitra, dia ho tapaka ny fifandraisana amin’ny fahamarinana
ambaran’ny Evanjely ary ho zary olona nitantaràna angano na namelabelarana
fonjan-kevitra momba an’i Jesoa fotsiny ny vahoaka, ka na izy ireo handray Azy
na hitsipaka. Raha tsy eo ny vahoaka, dia ho simba ny fifandraisan’i Jesoa sy
ny apôstôly, ka ho lasa endrika fisamatsamahana ny fivavahana ary tsy hitodika
afa-tsy amin’ny tenany, ho very fahazavana ny fitoriana ny Evanjely, dia ilay fahazavana
avy amin’ny fanambaràn’Andriamanitra ny tenany izay miantefa mivantana amin’ny
olona rehetra, amin’ny fanolorana azy ny famonjena.
21. Ary farany dia ao ilay mpiantsehatra fanampiny,
ilay mpanohitra, izay mampiditra an-tsehatra ny
fisaratsarahan’ireo telo hafa, fisaratsarahana asan’ny demony. Teo anatrehan’ny
fanafintohinana ateraky ny hazofijaliana, dia nitsoaka
an-daharana ny mpianatra sasany ary nisy tamin’ny vahoaka no niova hevitra. Ny vela-pandrika
mampisaraka – izany hoe manohitra ny dia iombonana – dia miseho ihany koa
amin’ny endriky ny fihenjanana loatra amin’ny lafiny ara-pivavahana, miseho amin’ny
fanerena be fahatany eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena izay hentitra lavitra
noho ny an’i Jesoa, sy miseho amin’ny fisarihana ny olona hanatona amin’ny
alalan’ny fahendrena pôlitikan’izao tontolo izao, izay milaza tena ho mahomby
lavitra noho ny fanavahana amam-pamantarana ny fanahy. Mba hahafahana amin’ny
famitahana ataon’ilay mpiantsehatra fahefatra dia ilaina ny
fibebahana mitohy. Miteny ho azy ny amin’izany ny
tantaran’i Kôrnely mpifehy miaramila zato (jer. Asa 10), zava-nitranga
talohan’ny Konsily tao Jerosalema (jer. Asa 15) izay teboka iray
manan-danja tsara itodihana sy iverimberenana matetika mba hampisiana Eglizy « miara-dia ».
Fibebahana roa sosona: i Piera sy i Kôrnely (Asa 10).
Tantaraina eto ny fibebahan’i
Kôrnely, izay nialohavana karazana fanambaràna mialoha. Tsy mpino i Kôrnely, mety
ho Rômanina, mpifehy miaramila zato, izany hoe manamboninahitra farany ambany
tamin’ny tafiky ny mpanjanaka, izay manatanteraka asa
mifototra amin’ny herisetra sy fanararaotam-pahefana. Na izany aza anefa dia tia vavaka sy mpanao asa fiantràna izy, izany hoe nanana
fifandraisana tamin’Andriamanitra ary niahy ny olombelona namany. Tsy
nampoizina anefa fa tao an-tranony mihitsy no niditra ny
anjely, niantso azy tamin’ny anarany sy nampirisika azy handefa ny mpanompony
ho any Jope hiantso an’i Piera – mandefa: matoanteny fampiasa amin’ny asa fanirahana;
miantso: matoanteny fampiasa amin’ny fiantsoana. Lasa fitantaràna ny fibebahan’i Piera anefa ny zavatra niseho; tamin’io andro
io manko dia nahazo fahitana koa i Piera, nisy feo nibaiko azy hamono sy
hihinana amin’ireo biby naseho azy, biby maloto anefa ny sasany tamin’ireny.
Nazava sy hentitra ny valin-teniny: « Sanatria izany, Tompoko » (Asa 10,14).
Fantany fa ny Tompo no niteny taminy, fa notoheriny
tamin’ny fomba mazava, satria manozongozona ny fitsipiky ny Lalàna izay tsy
tokony holavina amin’ny maha-Jody azy, fitsipika izay toa mampiseho fa
fahasamihafàna mifono fisarahana sy fanavahana miohatra amin’ny hafa (vahoaka)
no hevitry ny fifidianana (fiantsoana) ataon’ny Tompo.
23. Very hevitra mafy ity apôstôly ity, ary raha mbola
nanontany tena ny amin’ny hevitr’izay niseho izy, dia
tonga ireo olona nirahin’i Kôrnely, izay nambaran’ny Fanahy taminy fa iraka
nalefany. Mampahatsiaro ny tenin’i Jesoa tao an-tanimbolin’ôliva ny teny
namalian’i Piera an’ireo olona ireo: « Izaho no ilay tadiavinareo » (Asa 10,21).
Tena fibebahana marina io, dingana ivoahana avy ao
amin’ny sokajy ara-kolontsaina sy ara-pivavahana misy ny tenany, dingana niaretana
fanaintainana sy nitondra vokatra: nanaiky hihinana niaraka tamin’ny Jentily i
Piera, sakafo izay noheveriny hatramin’izay fa maloto, kanefa eto dia ekeny ho
fitaovana mahavelona ary mampiombona amin’Andriamanitra sy amin’ny hafa. Ao
amin’ny fihaonana amin’ny olona, amin’ny fandraisana azy ireny, iarahana dia
aminy sy idirana ao an-tranony, no ahazoany ny hevitry
ny fahitany: tsy misy olombelona tsy mendrika eo imason’Andriamanitra, ary ny
fahasamihafana nateraky ny fifidianana dia tsy fiangarana hanilihana ny hafa
akory, fa fanompoana sy fijoroana ho vavolombelona mivelatra amin’izao tontolo
izao.
24. Na i Piera na i Kôrnely
dia samy nahatarika olona tamin’ny dingam-pibebahany, ka noraisin’izy ireo ho
mpiara-dia taminy ireny olona ireny. Ny asan’apôstôly
araka izany dia mahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra mahary ankohonam-piainana,
mampirodana ny sakana ary mampiroborobo fihaonana. Mitana anjara toerana lehibe
ao amin’ny fihaonan’ireto mpiantsehatra roa ireto ny Teny.
Nanomboka nizara ny zavatra hitany i Kôrnely. I Piera
kosa nihaino azy, avy eo dia nandray fitenenana nampahafantatra
izay niseho taminy koa, ary nijoro ho vavolombelona fa eo akaiky eo ny Tompo,
ary mitsena ny olona tsirairay mba hanafaka azy amin’ny ratsy mangeja azy sy amin’izay
mampihen-danja ny maha-olona azy (jer. Asa 10,38).
Io fomba nampitàna hafatra io dia mitovy amin’izay
hosafidìn’i Piera, rehefa homen’ireo voafora tsiny izy any Jerosalema, rehefa hampangain’ireo
fa nandika ny fitsipika nentim-paharazana, izay nampifantohan’izy ireo ny sainy
manontolo, ka tsy niraharahàny ny firotsahan’ny Fanahy Masina: « Niantrano
tany amin’ny olona tsy voafora ianao ary niara-nihinana tamin’izy ireo! »
(Asa 11,3).
Tamin’io fotoana nifandirana io no nitantaran’i Piera
izay niseho taminy sy ny fahaverezan-keviny, ny tsy fahazoany an-tsaina ny
zava-nitranga sy ny fanoherany. Izany indrindra anefa no hanampy an’ireo olona niresaka
taminy ireo hihaino sy handray ny zava-nitranga, na
dia somary nasiatsiaka sy tsy nisokatra aza izy ireny teny am-boalohany.
Nanampy tamin’ny fivoasana ny hevitr’izany ny Soratra
Masina, tahaka izay hitranga ihany koa mandritra ny Kônsily any Jerosalema, ao
anatin’ny dingan’ny fandinihana amam-pamantarana, izay fiaraha-mihaino ny
Fanahy.
IV. Fampiharana
ny fiarahan-dia: torolalana hakana hevitra amin’ny
Vahoakan’Andriamanitra.
25. Ny ‘dia’ iaraha-manatontosa,
izay tsilovin’ny Tenin’Andriamanitra sy mifototra ao amin’ny Lovam-panahy, dia
miorim-paka ao amin’ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra, izay fiainana azo
tsapain-tànana. Maneho toetra manokana izay loharanon-karena tena miavaka koa
izy io: sady tanjona mantsy no fomba hanatanterahana asa
(metôda) ny fiarahan-dia. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia sady karazana
toerana hanatanterahana ny asa izy io no fanandramana atao fitaratra na fakan-tahaka,
ahazoana manangona sahady ireo vokatry ny hery manetsika ampidirin’ny fibebahana
miandalana ho amin’ny fiarahan-dia (conversion synodale) ao amin’ny ankohonam-piainana
kristianina. Etsy andanin’izany dia tsy maintsy hampitodika ny
mpino amin’ireo traikefam-piarahan-dia efa niainana tamina sehatra maro ary
tamina dingana samihafa samy manana ny lanjany izy io. Ny
herin’ny fiarahan-dia sy ny fahombiazany, tahaka ny fetrany sy ny hasarotana
nosedraina, dia manolotra singa sarobidy ilaina amin’ny fiezahana mamantatra ny
zotran’ny lalana mbola harahina. Mazava loatra fa mitodika amin’ireo traikefa
netsehin’ity ‘dia’ iaraha-manatontosa ity isika, fa ilaina koa ny mitodika
amin’ireo traikefa rehetra efa nanandramana karazana endrika « fiarahan-dia »
amin’ny fiainana andavanandro, na dia tsy fantatra sy tsy ampiasaina amin’izany
akory aza io teny io.
Ny fanontaniana fototra
26. Ny fanontaniana fototra hitarihana ity fakan-kevitra
amin’ny Vahoakan’Andriamanitra ity, araka ny efa natsidika teny am-panokafana,
dia izao manaraka izao: « ny Eglizy miara-dia » eo am-pitoriana ny
Evanjely, dia « miara-mizotra » :
ahoana no anatanterahana an’io « fiarahan-dia » io ankehitriny ao amin’ny Eglizy
misy anareo? Inona ny dingana andrasan’ny Fanahy Masina amintsika hampiroboroboana
an’ity fiarahan-dia ity ?
Ho famaliana an’io fanontaniana
fototra io, dia asaina ianareo:
a) hametra-panontaniana: traikefa toy inona ao amin’ny
diôsezinareo no ampahatsiahivin’io fanontaniana fototra io
anareo?
b) hanao jery todika sy
handalina bebe kokoa ireny traikefa ireny: hafaliana manahoana no naterak’izany?
Inona ny fahasarotana sy sakana tojo anareo tamin’izany?
Karazana ratra toy inona no napoitrany? Fahatsapàna (tsindrimandry) toy inona
no vokany?
d) hioty ny vokatra hanaovana
fifampizaràna: taiza ho aiza tamin’ireny traikefa ireny no nanakoako ny feon’ny
Fanahy? Inona no angatahiny amintsika? Inona ny lafiny mbola mila fanamafisana orina, ny zavatra tokony
hovaina, ny dingana hotanterahina? Taiza no nahitantsika
hevitra niombonana? Lalana toy inona no misokatra ho
an’ny diôsezintsika?
Endrika maro
isehoan’ny fiarahan-dia
27. Ao amin’ny fivavahana, ao amin’ny fandinihana sy ny fifampizaràna nofohazin’ny fanontaniana fototra, dia
tsara ny mitana an-tsaina ireo sehatra telo ihariharian’ny fiarahan-dia ho toy
ny « lafy mandrafitra ny Eglizy »[20] :
-
ny sehatry ny fomba iainan’ny
Eglizy sy ny fomba iasàny amin’ny andavanandro, izay maneho ny toetran’ny Vahoakan’Andriamanitra
miara-mizotra sy manao fivoriambe nampiantsoan’ny Tompo Jesoa ao amin’ny
herin’ny Fanahy Masina, mba hitoriana ny Evanjely. Io fomba fiaina sy fomba
fiasa io dia tanteraka ao amin’ny « fiarahan’ny
ankohonam-piainana mihaino ny Tenin’Andriamanitra sy ao amin’ny fankalazàna ny
Eokaristia, ao amin’ny firahalahiam-piombonana ary ao amin’ny fiaraha-miantsoroka
andraikitra sy ny fandraisana anjaran’ny Vahoakan’Andriamanitra rehetra amin’ny
fiainan’ny Eglizy sy ny asa nanirahana azy, araka ny sehatra misy azy ireo avy
sy ao amin’ny fahasamihafan’ny fandraharahàm-panompoana sy ny asa »[21].
-
Ny sehatry ny rafitra sy ny dingam-pitomboana
eo anivon’ny Eglizy nofaritan’ny fijery teôlôjika sy kanônika (araka ny
Lalànan’ny Eglizy), ka isehoan’ny tena toetran’ny Eglizy, toetra anjakan’ny fiarahan-dia
tanteraka, amin’ny endrika rafitra eo an-toerana, na amin’ny faritra na maneran-tany;
-
Ny sehatry ny atrik’asa
sy ny hetsika amin’ny fanatanterahana sinaody iantsoan’ny fitondràna mahefa ny
Eglizy, araka ireo dingam-panatanterahana manokana voafaritry ny fitsipiky ny
Eglizy.
Na dia samihafa aza ireo sehatra ireo amin’ny fomba
fijery lôjika, dia mifanjohy mandrakariva ary tsy maintsy tazonina miaraka
amim-pomba mirindra, raha tsy izany dia hiteraka fanafintohinana ka lasa tsy
inoan-teny intsony ny Eglizy. Raha tsy zary zava-misy
azo tsapain-tànana ao amin’ny sehatry ny rafitra sy ny
dingam-pitomboana tokoa mantsy ny fomban’ny
fiarahan-dia, dia hianjera mora foana avy amin’ny maha-faniriana
amam-pikasana azy ka ho lasa kabary ambony vavahady fotsiny ihany; ary raha tsy
fomba fanao sy fiaina sahaza no manentana ny atrik’asa sy ny hetsika, dia ho lasa
fihetsiketsehana ivelany fotsiny nefa poakaty.
28. Ankoatr’izay, ao amin’ny fiverenana hamaky indray ny traikefa lasa, dia ilaina ny mihevitra fa azo takarina
araka ny fomba fijery anankiroa mifandrohy lalina ny hoe « fiarahan-dia ».
Ny voalohany dia mikasika ny fiainana anatin’ny Eglizy
manokana, ny fifandraisan’ireo olona mandrafitra azy (voalohany amin’ireny ny fifandraisana
eo amin’ny Mpino sy ny Mpiandry azy ireo, indrindra amin’ny alalan’ireo sampan-draharaha
mpandray anjara efa voaoman’ny fitsipi-pifehezana kanônika
mialoha, voaray ao anatin’izany ny sinaody diôsezanina) ary ireo ankohonam-piainana
mampifanjohy azy ireo (indrindra ny Paroasy). Fa jereny ihany koa ny
fifandraisana eo amin’ny samy eveka sy ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Evekan’i
Rôma, indrindra amin’ny alalan’ireo sampan-draharaha mpanelanelan’ny fiarahan-dia
(Sinaodin’ny evekan’ireo Eglizy Patriarkaly sy arsiepiskôpaly lehibe,
Filankevitry ny Hierarka -ireo Lehibe amin’ny Eglizy ôrtôdôksa- sy Fivondronan’ny
Hierarka any amin’ireo Eglizy miombona amin’ny Eglizy katôlika manerantany
kanefa manana ny fahaleovan-tenany manokana [sui iuris], Fivondronamben’ny
eveka eo amin’ny sehatra nasiônaly na iraisam-pirenena na eo anivon’ny
kôntinanta). Dia velarina kokoa izany mba ahafahan’ny Eglizy manokana mampiditra
ao aminy ny fandraisana anjaran’ireo endri-piainana mihiboka samihafa, ny
relijiozy, ny voatokana, fikambanana sy firohotana lahika, rafitra eo anivon’ny
Eglizy amin’ny maha-ankohonam-piainan’ny mpino azy na rafitra isan-karazany
miankina amin’ny Eglizy (sekoly, trano fitsaboana, anjerimanontolo, rafitra
natsangana hanasoavana ny olona, fikambanana mpanao asa soa sy asa fiantràna,
…). Ary farany, io fijery misokatra amin’ny hoavy io
dia mamihina ihany koa ny fifandraisana sy ny fandraisana finiavana iombonana
amin’ireo kristianina hafa Fiangonana, izay miombona amintsika noho ny Batemy
tokana.
29. Ny fijery faharoa dia mandinika ny
fomba izoran’ny Vahoakan’Andriamanitra miaraka amin’ny taranak’olombelona manontolo.
Ity dingana ity dia hijanona maharitra amin’ny endri-pifandraisana, amin’ny fifanakalozan-kevitra
sy amin’ireo mety ho fandraisana finiavana iombonana miaraka amin’ireo
mpanaraka fivavahana hafa, amin’ireo olona lavitry ny finoana, torak’izany koa
amin’ireo sehatra sy sokajy sôsialy manokana, amin’ny rafitra misy azy ireo
(tontolo pôlitika, kolontsaina, fihariana, ara-bola, sehatr’asa, sendikà sy
fikambanan’orinasa, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakàna sy fiaraha-monim-pirenena,
firohotam-bahoaka, antokon’olona vitsy an’isa isan-karazany, ireo mahantra sy
natao anjorombala, sns.).
Hevi-dehibe folo hohalalinina
30. Mba hampisongadinana ireo traikefa sy hitondrana
anjara biriky misimisy kokoa amin’ny fakan-kevitra, dia atolotra manaraka eto ireo hevi-dehibe folo maneho ireo endrika samihafa
ananan’ny « fiarahan-dia iainana ». Ampifanarahina amin’ny
toe-javamisy any an-toerana izy ireny, ampidirina arakaraka ny irosoan’ny
fotoana, hazavaina, tsotsorina, halalinina, ka tsinjovina manokana ireo manana
fahasahiranana amin’ny fandraisana anjara sy ny famaliana izany : ny Vademecum na soridalana izay
ampiarahana amin’ity Tahirin-kevitra fiomanana ity dia mirakitra ireo
fitaovana, ny zotra arahina sy soso-kevitra mba hanoloran’ireo hevi-dehibe ireo
antsika aingam-panahy hivavaka sy hiofana, ary handinika sy hanao fifanakalozan-kevitra.
I. IREO NAMANA ENY AM-PANDEHANANA
Na ao amin’ny Eglizy na ao
amin’ny fiaraha-monina dia mizotra mifanila amin’ny lalana iray isika. Ao amin’ny diôsezinareo, iza avy ireo miara-dia? Rehefa miteny
isika hoe Eglizintsika, dia iza avy no ao anatin’izany? Iza
no mangataka antsika hiara-dia? Iza avy ireo namana eny am-pandehanana,
voaray ao ve na dia ireo ivelan’ny sehatry ny Eglizy aza?
Olona manao ahoana na sokajin’olona toy inona no
tavela eny anjorom-bala, niniana nahilika na noho ny zava-misy?
II. FIHAINOANA NY HAFA
Dingana voalohany ny
fihainoana, saingy mitaky saina sy fo misokatra, tsy misy fitsaràna an-tendrony
na fitsaràna be fahatany. Manan-trosa amin’iza ny diôsezintsika
raha fihainoana no resahina? Ahoana ny fomba ihainoana
ny lahika, indrindra ny tanora sy ny vehivavy? Amin’ny fomba ahoana no
handraisantsika ny anjara birikin’ny olom-boatokana
lahy sy vavy? Inona no anjara toeran’ny feon’ny vitsy an’isa,
ireo voahilika sy atao anjorombala? Haintsika ve ny
mamantatra ireo fitsarana an-tendrony sy ireo fihetsika misakana ny
fihainoantsika ny hafa? Ahoana no ihainoantsika ny toe-java-misy
ara-piaraha-monina sy ara-kolontsaina iainantsika?
III. FANOMEZANA ANJARA FITENENANA
Asaina hiteny an-kasahiana sy an-kalalahana ny rehetra, izany hoe omena sehatra ny fahafahana sy ny
fahamarinana ary ny fitiavana. Ahoana no ampiroboroboantsika fomba
fampitan-kevitra iray malalaka sy tena marina, tsy misy firoaroahan-kevitra sy
fanararaotana tranga eo anivon’ny ankohonam-piainantsika
sy ireo sampan-draharahany? Ary eo anatrehan’ny
fiaraha-monina misy antsika? Rahoviana ary ahoana no
ahafahantsika milaza izay tena ao am-pontsika (tiantsika)? Manahoana ny fizotran’ny fifandraisana amin’ny tontolon’ny serasera (tsy
ny serasera katôlika ihany akory)? Iza no miteny amin’ny
anaran’ny ankohonam-piainana kristianina ary ahoana no ifidianana azy?
IV. FANKALAZANA LITORJIA
Raha atao miorim-paka ao amin’ny fiarahana mihaino ny Tenin’Andriamanitra sy ny fankalazàna ny Eokaristia ihany
ny fiarahan-dia vao ho azo tanterahina sy tanteraka. Amin’ny fomba ahoana no hanetsehan’ny
vavaka sy ny fankalazàna litorjika ny fiarahantsika
mizotra sy itarihany izany? Ahoana no anomezany tolotsaina
an’ireo fanapahan-kevitra manan-danja? Ahoana no ampiroboroboantsika ny fandraisana anjara mavitriky ny Mpino rehetra amin’ny
litorjia sy ny fanatanterahana ny adidy fanamasinana ny vahoakan’Andriamanitra?
Inona no anjara toerana omena ny fanatanterahana ny asa
fandraharahàn’ny famakiana teny (lectorat) sy ny fanotronana (acolytat)?
V. FIARAHANA MIJORO HO
TOMPON’ANDRAIKITRA AMIN’NY ASA FANIRAHANA
Ampiasaina hanatanterahana ny
asa anirahana ny Eglizy ny fiarahan-dia, antsoina handray anjara amin’io asa
fanirahana io ny rantsam-batany rehetra. Noho isika rehetra mpianatra misiônera,
dia amin’ny fomba ahoana no iantsoana ny vita batemy
tsirairay ho mpiantsehatra amin’ny asa anirahana ny Eglizy? Ahoana no anohanan’ny
ankohonam-piainana ireo mpikambana ao aminy mirotsaka amin’ny fanompoana eo anivom-piaraha-monina
(sôsialy, pôlitika, fikarohana ara-tsiansa sy amin’ny fampianarana, amin’ny
fampiroboroboana ny rariny ara-tsôsialy, fiantohana ny zon’olombelona sy
amin’ny fikolokoloana ny Tranobe iombonana, sns.)? Ahoana no hanampiany azy
ireo hiaina an’ireny fandraisany andraikitra ireny araka ny foto-kevitra
ijoroan’ny asa fanirahana? Ahoana no anaovana fandinihana mikasika ny safidy
mifandraika amin’ny asa fanirahana ary iza avy no mandray anjara amin’izany? Ahoana
no nampidirana sy nampifanarahana tamin’ny zavamisy ny fomba amam-panao
samihafa (traditions) mikasika ny fomba fanao ampiharana ny fiarahan-dia, dia
ireo fomba amam-panao mandrafitra ny harena lovain-jafin’ny Eglizy maro,
indrindra ny Eglizy Tatsinanana, mba hampisiana fijoroana ho vavolombelona kristianina
mahomby? Manahoana ny fizotry ny fiaraha-miasa any amin’ireo faritra misy
Eglizy mahaleo tena nefa miombona amin’ny Eglizy katôlika maneran-tany (sui iuris)?
VI. FIFANAKALOZAN-KEVITRA
AO AMIN’NY EGLIZY SY NY FIARAHA-MONINA
Lalana mitaky faharetana goavana ary mirakitra
fahanginana sy fijaliana ny fifanakalozan-kevitra, saingy afaka manangona traikefan’olona
sy vahoaka maro. Inona avy ireo toerana sy fomba ifanakalozana hevitra eo
anivon’ny Eglizy misy antsika? Ahoana no iatrehana ny fahasamihafam-pijery, ny fifanoherana
sy ny fahasarotana? Ahoana no ampiroboroboantsika ny fiaraha-miasa amin’ny diôsezy
mifanolo-bodirindrina, miaraka amin’ny ankohonampiainan-dreljiozy misy eo amin’ny
faritra, miaraka amin’ny fikambanana sy firohotana lahika, sns.? Karazana traikefam-pifanakalozan-kevitra
sy traikefam-pandraisana andraikitra iombonana toy inona no raisintsika an-tanana
miaraka amin’ny mpanaraka fombam-pivavahana hafa sy amin’ny tsy mpino? Ahoana
ny fomba ifanakalozan’ny Eglizy hevitra amin’ny sampan-draharaha hafa eo anivom-piaraha-monina
sy andraisany lesona avy amin’izy ireny: tontolon’ny pôlitika sy ny
seha-pihariana, ny kolontsaina, ny fiaraha-monim-pirenena, ny mahantra, …?
VII. FIARAHANA AMIN’NY FIANGONANA KRISTIANINA HAFA
Manana anjara toerana manokana ao amin’ny dia iaraha-manatontosa
ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny kristianina samy hafa Fiangonana, kanefa
atambatry ny Batemy iray. Karazam-pifandraisana toy inona no misy amintsika sy
amin’ireo rahalahy sy anabavy amin’ny Fiangonana kristianina hafa? Sehatry ny inona
no voakasik’izany? Inona no vokatra azontsika nosintonina tamin’io « fiarahan-dia »
io? Inona ny fahasarotana hita?
VIII. FAHEFANA SY
FANDRAISANA ANJARA
Ny « Eglizy miara-dia » dia Eglizy
mampandray anjara ny olona sy miara-tompon’andraikitra. Ahoana no amaritana ny tanjona
hotratrarina, ny lalana hahatratrarana izany ary ny dingana hotanterahina?
Ahoana no ampiharana ny fahefana ao anatin’ny Eglizy misy antsika? Inona avy ny
zavatra fanao amin’ny asana ekipa sy amin’ny fiaraha-miantsoroka andraikitra? Manahoana
ny fampiroboroboana ny asa fandraharahàna sahanin’ny lahika sy ny fiantsorohana
andraikitra raisin’ny Mpino an-tànana? Ahoana ny fiasan’ireo sampan-draharaha
misahana ny fiarahan-dia eo amin’ny sehatry ny Eglizy tsirairay any an-toerana na
diôsezy? Traikefa mitondra vokatra ve izy ireny?
IX. FIARAHA-MANDINIKA SY FANAPAHAN-KEVITRA
Ao amin’ny fanaovana dingam-pandinihana
amam-pamantarana no anapahana hevitra ao amin’ny fomba iarahan-dia, ka ny
hevitra iraisana mipoitra avy ao amin’ny fiaraha-manaiky ny Fanahy Masina no
fototra iaingàna. Inona avy no atao ary inona ny fomba fiasa hanaovantsika dingam-pamantarana
miaraka sy handraisantsika fanapahan-kevitra? Ahoana no ahafahana manatsara an’izany?
Ahoana no hanomezantsika vahana ny fandraisana anjara amin’ny fanapahan-kevitra
eo anivon’ny ankohonam-piainana misy ambaratongan-drafitra? Ahoana no
andrindrantsika ny dingan’ny fakan-kevitra amin’ny dingan’ny fanapahan-kevitra,
ny dingan’ny famolavolàna fanapahan-kevitra miaraka amin’ny dingan’ny fandraisana
fanapahan-kevitra? Amin’ny fomba ahoana ary fitaovana toy inona no ampiroboroboantsika
ny mangarahara sy ny fiaraha-miantsoroka andraikitra?
X. FIOFANANA HO AMIN’NY FIARAHAN-DIA
Ny fiainam-panahin’ny « fiarahan-dia » dia ezahina
ho tonga fitsipika fototra enti-manabe ho an’ny fiofanan’ny olona sy ny
kristianina, ny fianakaviana sy ny ankohonam-piainana. Ahoana no hanofanantsika
ny olona, indrindra ireo mitana andraikitra eo anivon’ny ankohonam-piainana
kristianina, mba hahaizan’izy ireny « miara-mizotra » bebe kokoa, hahaizany
mifampihaino sy mifanakalo hevitra? Fiofanana toy inona no omentsika hahatongavana
amin’ny fahaizana mamantatra ny mety sy mampihatra ny fahefana? Fitaovana toy
inona no manampy antsika handinika sy hamantatra ireo hery
anaty ananan’ny kolontsaina nipoirantsika sy ny fiantraikany
amin’ny fomba maha-Eglizy antsika?
Mba hitondrana ny
anjara biriky amin’ny fakan-kevitra
31. Tanjon’ny dingana voalohany amin’ny dia
iaraha-manatontosa ny hampisy dingam-pakan-kevitra mivelatra bebe kokoa, mba
hanangonana ny harena ao amin’ireo traikefa-na fiarahan-dia efa niainana, ao
amin’ny fisehony sy endriny samihafa, ka hampandraisana anjara ny Mpiandry sy
ny Mpino any amin’ny Eglizy isan-toerana avy amin’ny sehatra rehetra, amin’ny
alalan’ny fitaovana sahaza kokoa, arakaraka ny zava-misy mampiavaka ny toerana
tsirairay : ny fakan-kevitra izay arindran’ny Eveka, dia mitodika amin’ny
« Pretra, Diakra sy ny Mpino lahika ao amin’ny Egliziny avy, na misingana
izany na miaraka, ka tsy azo odian-tsy hita ny anjara biriky sarobidy mety ho
azo avy amin’ireo olom-boatokana lahy sy vavy » (EC, lah.7). Angatahina
amin’ny fomba manokana ny anjara birikin’ireo sampan-draharaha mpandray anjara
ao amin’ireo Eglizy eo an-toerana, indrindra ny Filan-kevitry ny Pretra sy ny
Filan-kevitra Pastôraly, fa miainga avy amin’ireo no « ahafahana manomboka
manome endrika ny Eglizy miara-dia »[22].
Sarobidy torak’izany koa ny anjara biriky entin’ireo
sehatra hafa ao amin’ny Eglizy izay handefasana ity Tahirin-kevitra fanomanana
ity, tahaka ny fandraisana anjaran’izay te handefa mivantana ny azy. Farany,
zavadehibe loatra ny ahitan’ny feon’ny mahantra sy ny voahilika sehatra, fa tsy
ny feon’ireo manana adidy sy andraikitra ao anatin’ny diôsezy ihany.
32. Ny famintinana hataon’ny Eglizy tsirairay any an-toerana
amin’ny faran’ity asa fihainoana sy fiezahana mamantatra ity dia ho fandraisany
anjara amin’ny dingana ataon’ny Eglizy manerantany. Mba hahamora sy
hampaharitra ireo dingana manaraka amin’ny ‘dia’, dia zavadehibe ny fahaizana mamintina
amin’ny fomba mafonja ao anatin’ny pejy folo raha be indrindra ny vokatry ny
fivavahana sy ny fandinihana. Raha ilaina ny hampifandraisana izany amin’ny
zavamisy eo an-toerana sy hanazavana azy ireny bebe kokoa, dia tsara raha
asiana lahatsoratra hafa mipaingotra aminy ho fanohanana izany.
Ampahatsiahivina fa tsy ny hamokatra tahirin-kevitra no tanjon’ny sinaody,
izany hoe tanjon’ity fakan-kevitra ity, fa « hitarihana ny sain’ny olona
hampijoro ny Eglizy araka ny tokony ho izy, ho mpaminany sy hanana fomba fijery
lavitra, hampitsiry fanantenana, hampiroboroboana fahatokisana, hanasitranana ratram-po,
hampisiana fifandraisana, hampivelarana ny fanantenana, ary hamoronana fomba fiheverana
miabo hanazava ny saina, hamerenana indray ny hafanam-po, hanomezana
herin-tsandry »[23].
Fanafohezanteny
CTI :
Commission Théologique Internationale
[Vaomiera
Iraisam-pirenena momba ny Teôlôjia.
EC :
Papa Fransoà, Cost. Ap. Episcopalis communio
[Foto-pampianarana Apôstôlika Fiombonan’ny Eveka] (15 settembre 2018).
EG : Papa
Fransoà, Fanentanana Apôstôlika Ny hafaliana entin’ny
Evanjely (24 novambra 2013).
EK : Konsily
Vatikana II, Soridàlana momba ny Ekiomenisma (21 novambra 1964).
FA : Kônsily
Vatikana II, Foto-pampianarana momba ny Fanambaran’Andriamanitra, (18 novambra 1965).
FAA : Kônsily
Vatikana II, Foto-pampianarana ara-pitondràna momba ny Fiangonana manoloana
ny Andro Ankehitriny (7 desambra 1965).
FF : Kônsily
Vatikana II, Foto-pampianarana Fiangonana
Fahazavan’izao tontolo izao (21 novambra 1964).
FT : Papa
Fransoà, Taratasy ansiklika Mpirahalahy avokoa (3 ôktôbra 2020).
LS : Papa
Fransoà, Taratasy ansiklika Hoderaina anie Ianao (24 mey 2015).
[1] Ampiarahina amin’ity Tahirin-kevitra ity ny kisarin’ny dingan’ny dia iaraha-manatontosa – lalana iaraha-mizotra (chemin synodal).
[2] Papa Fransoà, Discorso per la Commemorazione del 50° anniversario dell’istituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin’ny Eveka] (17 ôktôbra 2015).
[3] Jer. www.synod.va.
[4] Papa Fransoà, Lettera al Popolo di Dio [Taratasy ho an’ny Vahoakan’Andriamanitra] (20 aogositra 2018), proemio [Teny mialoha]
[5] Papa Fransoà, Lettera al Popolo di Dio [Taratasy ho an’ny Vahoakan’Andriamanitra] (20 aogositra 2018), lah. 2.
[6] Ibidem.
[7] Ibidem.
[8] Papa Fransoà, Discorso per la Commemorazione del 50° anniversario dell’istituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin’ny Eveka].
[9] CTI, La sinodalità nella vita e nella missione della Chiesa [Ny fiarahan-dia ao amin’ny fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy] (2 marsa 2018), lah. 3.
[10] Ibidem.
[11] Ibid, lah. 6.
[12] Md Cyprien, De Oratione Dominica, 23: PL 4, 553.
[13] Md Augustin, Epistola 194, 31: PL 33, 885.
[14] Md Jean Chrysostome, Explicatio in Psalmum 149: PG 55, 493.
[15] CTI, La sinodalità nella vita e nella missione della Chiesa [Ny fiarahan-dia ao amin’ny fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy], lah. 6.
[16] Papa Fransoà, Discorso per la Commemorazione del 50° anniversario dell’istituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin’ny Eveka].
[17] CTI, La sinodalità nella vita e nella missione della Chiesa [Ny fiarahan-dia ao amin’ny fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy], lah. 69.
[18] Regula S. Benedicti [Fitsipik’i Md Benoît] , III, 3.
[19] Papa Fransoà, Discorso per la Commemorazione del 50° anniversario
dell’istituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50
nananganana ny Sinaodin’ny Eveka].
[20] CTI, La sinodalità nella vita e nella missione della Chiesa [Ny fiarahan-dia ao amin’ny fiainana sy ny asa
anirahana ny Eglizy], lah.
70.
[21] Ibidem.
[22] Papa Fransoà, Discorso per la Commemorazione del 50°
anniversario dell’istituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny
tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin’ny Eveka].
[23] Papa Fransoà, Discorso all’inizio del Sinodo dedicato
ai giovani [Lahateny
fanokafana ny Sinaoda natokana ho an’ny tanora] (3 ôktôbra 2018).