A C U M

Aumônerie Catholique Universitaire de Madagascar

137, Route circulaire Ankorahotra, BP 272 Antananarivo, 101
Tel : 033 06 723 11 -: acumadagascar@gmail.com

Tantara

Manoloana ny taratasy ancyclique navoakan’i ray masina Pie XII, nandray fanapahan-kevitra ireo nevekan’i Madagasikara tamin’ny taona 1958, hanohana ny mpianatry ny anjerimanontolo amin’ny fananganana ny atao hoe : « Aumônerie universiatire » izay nankinina tamin’i fikambanan-drelijiozy « Jésuite ». Père François de TORQUAT, sj no mpiandraikitra voalohany.
         Ho fandaminana ny asa apostolika teo anivon’ny mpianatra dia niforona ny atao hoe « Association Catholiques Universitaires de Madagascar », izay manana ny sata mazava, nampiandraiketina mpianatra miaraka amin’ny pretyra izay nankatoavion’ny fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara. Niforona araka izany ny ekipa litorjika, sosialy, mpiandraikitra ny fialam-boly ary ny gazety « Iray Aina ».
         Ny taona 1976 – 1977 , nitsangana ny atao hoe «  centres universiutaires régionaux » , nitsangana ny aumônerie universitaire tany amin’ny faritra ka nisantatra izany Aumônerie Universitaire Etudiante de Fianarantsoa niaraka tamin’ni Père Giustino BETHAZ, sj.

 

 

 

Taty  aoriana , tsy nitsahatra nitombo ny isan’ny mpianatra sy ny « centre universitaires » ; Nitsangana araka izany ny «  centres universitaires locaux »  izay nankinina amin’ireo aumônerie any amin’ny faritra. Nandritra ny fihaonam-be nasionaly tamin’ny taona 2013 no nanapahana hevitra fa hatsangana ny « Groupes Catholiques Universitaires » izay afaka miova ho « aumônerie locale ».
         Ny taona 2021, ny ACUM dia ahitana ireto :

Aumônerie régionale : 07

Aumônerie locale : 10

Groupe catholique universitaire : 04

 

Diosezy

12

Fitambarany

6.285

 

 

 

 

Mpiandraikitra nasionaly

Assistant ecclésiastique Père  PESLE Nicolas, sj  
Mpian-tsoratra mpandrindra nasionaly  BODILAHY Fanoimezantsoa Dominique