Sinaody 2021 2023

Mba ho « Eglizy miara-dia » [Eglise synodale] :

fiombonana, fandraisana anjara ary asa fanirahana

 

Ambangovangon-kevitra

I. Antso hiara-dia

II. « Eglizy miara-dia » araka ny maha-izy azy

III. Eo am-pihainoana ny Soratra Masina

I Jesoa, ny vahoaka, ny apôstôly

Fibebahana roa sosona: i Piera sy i Kôrnely (Asa 10)

IV. Fampiharana ny Fiarahan-dia: torolalana ho an’ny fakan-kevitra amin’ny Vahoakan’Andriamanitra

Ny fanontaniana fototra

Fomba maro isehoan’ny fiarahan-dia

Hevi-dehibe folo hohalalinina

Ho fandraisana anjara amin’ny fakan-kevitra

 

TAHIRIN-KEVITRA FANOMANANA

1. Antsoina hanatanteraka Sinaody ny Eglizin’Andriamanitra. Hisokatra amin’ny fomba manetriketrika ny 9-10 ôktôbra 2021 any Rôma ny « dia », mitondra ny lohateny hoe « Mba ho Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara ary asa fanirahana », ary ny 17 ôktôbra kosa dia any amin’ny Eglizy any an-toerana avy (diôsezy). Dingana iray lehibe amin’izany ny fankalazana ny Fivoriambe faha-16 an’ny Sinaodin’ny Eveka amin’ny volana ôktôbra 2023[1], izay harahin’ny dingana handraisan’ny Eglizy isan-toerana anjara indray (jer. EC, and. 19-21). Amin’ity fiantsoana ity, dia manasa ny Eglizy manontolo ny Papa Fransoà mba hanontany tena mikasika ny lohahevitra iray manan-danja amin’ny fiainany sy amin’ny asa anirahana azy: « Ny làlan’ny fiarahan-dia indrindra no lalana andrasan’Andriamanitra amin’ny Eglizin’ny taon’arivo fahatelo »[2]. Sady fanomezana no adidy io zotra io, ary tafiditra ao anatin’ny soritr’asan’ny fanavaozana ny Eglizy araka ny vaninandro ankehitriny, izay nanoloran’ny Konsily Vatikana II hevitra: rehefa miara-dia, ary miara-mandinika ny làlana efa nodiaviny ny Eglizy dia ho afaka handray lesona, avy amin’ny traikefa efa niainana, hoe inona avy ireo dingana afaka manampy azy hiaina ny fiombonana sy hanatanteraka ny fampandraisana anjara ny rehetra ary hisokatra amin’ny asa fanirahana. Ny fiarahantsika mizotra tokoa manko no manatanteraka sy maneho ny toetran’ny Eglizy amin’ny maha-vahoakan’Andriamanitra andalam-pivahiniana sy misiônera azy.

2. Fanontaniana fototra iray no manentana sy mitarika antsika: ahoana no ahatanterahan’izany hoe « miara-dia » izany, amin’ny ambaratonga maro samihafa (manomboka amin’ny Eglizy tsirairay eo an-toerana ka hatrany amin’ny Eglizy maneran-tany), ka ahafahan’ny Eglizy mitory ny Evanjely, araka ny iraka nankinina aminy; ary inona ny dingana andrasan’ny Fanahy Masina amintsika hampiroboroboana ny maha-« Eglizy miara-dia » antsika?

Ny fiezahana hamaly miaraka io fanontaniana io dia mitaky fihainoana ny Fanahy Masina, izay tahaka ny rivotra « mitsoka amin’izay tiany ary henonao ny feony, fa tsy fantatrao izay niaviany sy halehany » (Jo 3,8), ka isokafana mandrakariva amin’ireo zavatra tsy ampoizina, izay azo antoka fa homaniny mialoha ho antsika eny an-dalana eny. Dia toy izany no iaingàn’ilay fakana bahana ahafahana manangona ireo vokatra entin’ny fibebahana ho amin’ny fiarahan-dia, vokatra hihamasaka tsikelikely. Tsy inona akory izany fa ireo zava-kendrena manan-danja lehibe ho fanatsarana ny fiainan’ny Eglizy sy ny fizotry ny asa fanirahana hitory ny Vaovao Mahafaly, izay andraisantsika rehetra anjara noho ny fahasoavan’ny Batemy sy ny Fankaherezana. Ndeha hosoritana eto àry ireo tsy azo ialàna amin’ireny zava-kinendry ireny, dia ireo mamaritra ny fiarahan-dia ho endrika isehoan’ny Eglizy, ho fomba fiasany ary ho firafiny:

-       mitadidy ny fomba nitantanan’ny Fanahy Masina ny dian’ny Eglizy tao amin’ny tantara sy ny fomba iantsoany antsika ankehitriny ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra;

-       miaina dingana andraisan’ny rehetra anjara eo anivon’ny Eglizy, tsy anavahana na iza na iza, dia dingana ahafahan’ny tsirairay – indrindra ireo atao anjorombala noho ny antony maro samihafa – maneho hevitra sy misitraka ny zo hohenoina, mba hitondràny ny anjara birikiny amin’ny fanorenana ny Vahoakan’Andriamanitra;

-       mamantatra sy mankamamy ny harenan’ny fahasamihafan’ny fanomezana sy ny fanomezam-pahasoavana zarain’ny Fanahy Masina amin-kalalahana ho fanasoavana ny ankohonam-piainana kristianina sy ho tombotsoan’ny taranak’olombelona manontolo;

-       miezaka manome andraikitra ny tsirairay amin’ny fitoriana ny Evanjely sy amin’ny firotsahana an-tsehatra hanorina tontolo tsaratsara kokoa sy azo onenana;

-       mandinika ny fomba iainana ao amin’ny Eglizy ny maha-tompon’andraikitra sy ny fahefana ary ny rafitra itantanana izany, ka vakiana bantsilana sy ezahina hovàna ireo fitsaratsaràna be fahatany sy ireo fomba fanao tsy mety tsy mifahatra amin’ny Evanjely;

-       mandray sy manao izay hahatonga ny ankohonam-piainana kristianina ho mpikatroka azo inoana sy mpiara-miombon’antoka azo itokisana amin’ny làlan’ny fifanakalozan-kevitra eo anivom-piaraha-monina, fanasitranana, fampihavanana, tsy fanilikilihana sy fampandraisana anjara, amin’ny fanorenana indray ny demôkrasia, fampiroboroboana ny fihavanana eo anivon’ny fiaraha-monina;

-        mamelombelona indray ny fifandraisana amin’ny samy mpikambana eo anivon’ny ankohonam-piainana kristianina, torak’izany koa ny fifandraisan’ny ankohonam-piainana amin’ireo vondrona sôsialy, ohatra ny ankohonam-piainan’ny mpino ao amin’ny Fiangonana hafa sy ny fombam-pivavahana samihafa, ny fivondronan’ny fiarahamonim-pirenena, ny firohotana isan-tsokajiny, sns.;

-       Manome lanja manokana sy mandray ny vokatry ny traikefa azo tamin’ireo sinaody natao vao haingana, na io maneran-tany, na isam-paritra, na isam-pirenena na koa teo an-toerana.

3. Ity Tahirin-kevitra fiomanana ity dia mipetraka ho fitaovana ampiasaina amin’ny dia iaraha-manatontosa, fa indrindra ho fitaovana hanamoràna ny dingana voalohany, dia ny fakan-kevitra sy fihainoana ny vahoakan’Andriamanitra any amin’ireo Eglizy any an-toerana na diôsezy (ôktobra 2021 - aprily 2022), izay antenaina fa hanampy amin’ny famoahana hevitra sy amin’ny fanoritsoritana ny ezaka hatao ary hampisongadinana ny fahaiza-mamorona ananan’ireo rehetra handray anjara amin’ny zotra iombonana, ary hanamora ny fampivondronana ny vokatry ny fandraisan’izy ireo andraikitra.

Mba hahatratrarana izany, ity Tahirin-kevitra dia 1) manomboka amin’ny fanoritsoritana ireo toetoetra manokana manamarika ny zava-misy ankehitriny ; 2) mampahafantatra fohifohy ireo hevitra fototra ara-teôlôjia mba hahazoana tsara ny hoe fiarahan-dia, ary hampiharana azy araka ny tokony ho izy ; 3) manolotra soso-kevitra ara-tSoratra Masina hanomezana aina ny fandinihana am-bavaka eny am-pizorana ; 4) manoritsoritra fijery sasantsasany mibanjina ny ho avy, izay hiaingàna handinihana sy hijerena indray ireo traikefam-piarahan-dia efa niainana ; 5) mampiseho torolàlana sasantsasany mba hahatsara petrapetraka an’ity asa famakiana indray ity ao anatin’ny vavaka sy ny fifampizaràna.

Mba hampizotra tsara ny fandaminana ny asa, dia misy Vademecum (sori-dàlana) mirakitra ny fomba fiasa, ampiarahina amin’ity Tahirin-kevitra Fiomanana ity ary azo jerena ao amin’ny tranon-kalam-pifandraisana natokana ho an’izany[3]. Hita ao amin’io tranon-kalam-pifandraisana io koa ireo loharanon-kevitra sasany ho fandalinana ny lohahevitra mikasika ny fiarahan-dia, hanatevin-daharana an’ity Tahirin-kevitra Fiomanana ity ; atsidikay manokana manaraka eto ny roa amin’ireny, izay voatanisa matetika : ny Lahateny tamin’ny Fahatsiarovana ny faha-50 taona nananganana ny Sinaodin’ny Eveka, nataon’ny Papa Fransoà ny 17 ôktôbra 2015, sy ny Tahirin-kevitra Ny fiarahan-dia ao amin’ny fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy, nomanin’ny Commission Théologique Internationale (CTI) [Vaomiera Iraisam-pirenena momba ny Teôlôjia] ary navoaka tamin’ny taona 2018.

I. Antso « hiara-dia »

4. Ao anatin’ny toe-java-misy ara-tantara voamariky ny fiovana goavana eo amin’ny fiaraha-monina sy voamariky ny fiampitàna manan-danja eo amin’ny fiainan’ny Eglizy, izay tsy azo odian-tsy hita, no tanterahina ny dia iaraha-manatontosa. Ao anatin’ny fahasarotan’ireo toe-java-misy ireo, ao anatin’ny fifandonana amam-pifanoherana ao aminy, no iantsoana antsika « handinika ireo famantarana manambara ny vaninandro sy hivaofy azy eo ambany fanilovan’ny Evanjely » (FAA, lah. 4). Ny sasany amin’ireo singa amin’ny zava-miseho maneran-tany, izay mifandray akaiky amin’ny lohahevitry ny Sinaody ihany no atsidika ato, fa hohatevenina sy hofenoina any amin’ny sehatry ny Eglizy any an-toerana kosa ny famaritana ny tena toe-javatra.

5. Ny loza mahazo ny eran-tany, tahaka ny valan’aretina Covid-19 ohatra, « dia niteraka fahatongavan-tsaina fa ankohonana miara-miondrana ao anaty lakana iray izao tontolo izao, ka ny voina mahavoa ny iray dia mahatratra ny rehetra : tsaroantsika tsara fa tsy misy afa-mamonjy tena samirery, fa tsy maintsy miaraka ihany » (Fratelli Tutti - FT [Mpirahalahy avokoa], lah. 32). Miaraka amin’izay dia nampirongatra izay tsy izy ny tsy fitoviana sy ny tsy rariny efa nisy iny valan’aretina iny : miha-mahazo laka ny fiheverana ny tsirairay ho isan’ny sarambabem-bahoaka fotsiny ary voazarazara ny taranak’olombelona ; ny toe-javatra mampivarahontsana iainan’ireo mpitsoa-ponenana amin’ny faritra rehetra amin’izao tontolo izao dia maneho fa avo be sy tena mafy ireo sakana mampisaraka ny fianakavian’ny taranak’olombelona izay tokana ihany. Velabelarin’ireo Taratasy Ansiklika Laudato Si’ (Hoderaina anie Ianao) sy Fratelli tutti (Mpirahalahy avokoa) ny halalin’ny fizarazarana manenika sy mandrotika ny taranak’olombelona, azontsika atao ny mifahatra amin’ireny famakafakana ireny, mba hihainoantsika ny tarainan’ireo mahantra mbamin’ny tany, ary hamantarantsika ny masombolin’ny fanantenàna sy ny hoavy izay mbola ampitsimohan’ny Fanahy Masina na amin’izao androntsika izao aza : « Tsy mandao na mamoy antsika ny Mpahary, tsy mihemotra velively amin’ny fikasam-pitiavany Izy, ary tsy nanenina nahary antsika. Mbola manana ilay fahafahana sy fahaizana miara-miasa mba hanorenana ny tranobe iombonantsika ny taranak’olombelona » (LS, lah. 13).

6. Mampiombona ny fianakavian’ny olombelona manontolo io toe-javamisy io, na dia miseho amin’ny fomba samihafa arakaraka ny toerana aza, ary mitaky ny fahaizana sy ny fahavitan’ny Eglizy miara-dàlana amin’ny olona sy ny ankohonam-piainana, ahafahan’izy ireo manao jery todika amin’ireo fisaonana sy fijaliana niainany, izay nampiharihary ireo filaminana manodòka, sy namolavola fanantenana ary finoana ny hatsarampon’Ilay Mpahary sy ny hatsaràn’ny zavaboaariny. Tsy azo afenina amintsika anefa fa ny Eglizy tenany mihitsy no tsy maintsy miatrika ny tsy fahampian’ny finoana sy ny fahalovana na dia ao anatiny aza. Tsy azontsika hadinoina indrindra indrindra ny fijaliana niaretana zaza tsy ampy taona maro sy olona marefo noho « ny fanararaotana ara-nofo, fanararaotam-pahefàna na tsindry konsiansy nataon’olom-piangonana sy olom-boatokana marobe »[4]. « Amin’ny maha-Vahoakan’Andriamanitra tokony hitondra ny fanaintainan’ny rahalahintsika maratra ao amin’ny nofony sy ny fanahiny antsika »[5] no anairana tsy miato antsika: nandritra ny fotoana naharitra ela, dia tsy hain’ny Eglizy ny nihaino tamin’ny fomba ampy sy sahaza ny hiakiakan’ireo niharam-boina ireo. Ratra lalina sarotra sitranina izany, ka tsy ho ampy na oviana na oviana ny fangatahantsika famelàna ny amin’izy ireny, ary ratra zary sakana, matetika tsy azo ihoarana, tsy ahafahana mandroso amin’ny lalan’ny fiarahan-dia. Ny Eglizy manontolo dia antsoina hiatrika ny vesatry ny kolontsaina vonton’ny fitsabahan’ny olom-piangonana be loatra amin’ny raharaham-piaraha-monina (cléricalisme), izay nolovainy tamin’ny tantarany, ary hiatrika ny vesatry ny kolontsaina vontona endrika fampiharana fahefàna mifandrirotra amina karazana endri-panararaotana maro (fahefàm-pitondràna, fihariana, ara-kônsiansy, ara-nofo). Tsy azo eritreretina izany hoe « fiovana na fihavaozan’ny Eglizy amin’ny fanaony raha tsy misy fandraisana anjara mavitrika ataon’ireo rantsa-mangaika rehetra amin’ny vahoakan’Andriamanitra »[6] : aoka isika hiara-mangataka amin’ny Tompo « ny fahasoavan’ny fibebahana sy ny fanosorana anaty mba hahafahantsika maneho ny fanenenantsika sy ny fahatapahan-kevitsika hitolona an-kasahiana manoloana an’ireo heloka vokatry ny fanararaotana ireo »[7].

7. Na eo aza ny fivadibadihantsika, dia manohy miasa ao amin’ny tantara ny Fanahy Masina ary manohy maneho ny heriny mamelona. Fa ao amin’ireo soritra nofaritan’ny fijaliana isan-karazany niaretan’ny fianakavian’olombelona sy ny vahoakan’Andriamanitra indrindra, no iroboroboan’ny fomba fiteny vaovao maneho finoana sy dingana vaovao; tsy hoe ahafahana mivaofy ny zava-mitranga araka ny fomba fijery teôlôjika fotsiny ihany, fa koa ahitàna ao amin’ny fisedràna ny antony hanorenana indray ny lalan’ny fiainana kristianina sy ny lalana izoran’ny Eglizy. Mahavelom-bolo ny mahita Eglizy maro nanao fihaonana sy dingam-pakan-kevitra tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, izay azo lazaina fa voarafitra tsara. Tany amin’ny toerana nandaminana azy ireny araka ny fomba fanao sy fiasa ampiharana ny fiarahan-dia, dia velombelona indray ny fahatsapàna ny atao hoe Eglizy, ary ny fandraisana anjaran’ny rehetra dia nanome ainga vao ho an’ny fiainam-piangonana. Nahazo rariny sy fanamafisana koa ny fanirian’ireo tanora handray andraikitra eo anivon’ny Eglizy ary ny fangatahana mba hanomezan-danja bebe kokoa ny vehivavy sy hanolorana azy ireo sehatra handraisana anjara amin’ny iraka ampanaovina ny Eglizy, izay natsidika tao amin’ny Fihaonambe Sinaodalin’ny taona 2018 sy 2019. Dia mizotra ao amin’io soritra io ihany koa ny nampijoroana vao tsy ela ny asa fandraharahàna sahanin’ny lahika ataon’ny katesista sy ny nanokafana amin’ny vehivavy ny asa fandraharahan’ny famakian-teny (lectorat) sy ny fanotronana amin’ny litorjia (acolytat).

8. Tsy azontsika odian-tsy fantatra koa ny fahasamihafan’ny toe-javatra iainan’ny ankohonam-piainana kristianina any amin’ny faritra maro manerana an’izao tontolo izao. Any amin’ny firenena sasany dia saika ny ankamaroan’ny mponina no mirafitra ho rantsam-batan’ny Eglizy ka ataon’ny fiaraha-monina ho tondro famantarana ara-kolontsaina ity farany; fa any amin’ny firenena hafa kosa dia tena vitsy an’isa ny katôlika; any amin’ny firenena sasany aza dia miaritra fanenjehana amin’ny endriny maro, eny hatramin’ny herisetra aza, ny katôlika miaraka amina mpino kristianina hafa, ary matetika no isehoan’ny fanaovana martiry. Etsy andaniny dia manjaka ny toe-po anjakan’ny fisainan’izao tontolo (sécularisation) izay mitady hanilika ny fivavahana tsy ho eo amin’ny sehatry ny fiainam-bahoaka, etsy ankilany indray dia misy ilay fonjan-kevitra andraisana an-tendrony amin’ny lafiny ara-pivavahana (intégralisme religieux), izay tsy manaja ny fahafahan’ny hafa ary mikotrika endrika tsy fandeferana sy herisetra, izay hita taratra na ao amin’ny ankohonam-piainana kristianina sy ao amin’ny fifandraisany amin’ny fiaraha-monina aza. Matetika koa no manana toe-tsaina toy izany ny kristianina, mikononkonona fisaratsarahana sy fanoherana na eo anivon’ny Eglizy aza. Tsy maintsy heverina koa ny fomba fiantraikan’ny fisaraham-bazana mandrotika ny fiaraha-monina ao amin’ny ankohonam-piainana kristianina sy amin’ny fifandraisany amin’io fiaraha-monina io, noho ny antony ara-poko, ara-pirazanana, ara-tsaranga na arak’endri-panasokajiana hafa anivom-piaraha-monina na noho ny herisetra ara-kolontsaina sy ara-drafitra. Misy fiantraikany lalina amin’ny hevitry ny « fiarahan-dia » ireo toe-javatra ireo, ary misy fiantraikany ihany koa amin’ny fahafahana manatanteraka azy.

9. Ao anatin’izany toe-java-misy izany, dia ny fiarahan-dia no lalam-be fototra ho an’ny Eglizy, izay antsoina hihavao eo ambanin’ny asan’ny Fanahy Masina ary noho ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra. Ezaka takìna amin’ny Eglizy ny fampisiana dingana hihainoana ny hafa, dingana ifanakalozan-kevitra ary iarahan’ny ankohonam-piainana mandinika, izay handraisan’ny tsirairay sy ny daholobe anjara ary hitondràny ny anjara birikiny. Miankina be dia be amin’io ezaka io no hahafahana mamolavola hoavy hafa ho an’ny Eglizy sy ho an’ireo rafitra ao aminy, hoavy mifanentana amin’ny iraka noraisiny. Miaraka amin’izay, ny safidy « hiara-dia » dia famantarana ara-paminaniana ho an’ny fianakavian’ny olombelona izay mila vinan’asa iraisana afaka mikatsaka izay mahasoa ny rehetra.

Ny Eglizy mahay miombona sy anjakam-pirahalahiana, mahay mampandray anjara sy manome ny tsirairay ny anjara toerana sahaza azy, ary tsy mivadika amin’izay torìny, dia ho afaka miara-dàlana amin’ny mahantra sy ny madinika indrindra, ary ho afaka mitondra ny feon’izy ireo. Mba hizorana miaraka dia ilaina ny hanekentsika hobeazin’ny Fanahy Masina ho amin’ny toe-tsaina tena vonon-kiara-dia, ka hiditra amin-kasahiana sy amin-kalalahana ao amin’ny dingam-pibebahana; raha tsy misy manko io dingam-pibebahana io, dia tsy ho azo tanterahina velively « ny fanavaozana tsy miato ilain’ny Eglizy amin’ny maha-rafitra ikambanan’olombelona eto an-tany azy » (EK na Soridalana momba "Ny Ekiomenisma", lah.6 ; jer. EG, lah. 26).

II. « Eglizy miara-dia » araka ny maha-izy azy.

10. « Ny zavatra angatahin’ny Tompo amintsika, amin’ny lafiny iray, dia efa voarakitra ao amin’ny teny hoe Sinaody »[8], izay teny « tranainy ary nomena lanja tao amin’ny Lovam-panahin’ny Eglizy, ny heviny dia mampahatsiaro ireo votoaty lalin’ny Fanambaràna »[9]. « Izy Tompo Jesoa no mampahafantatra ny tenany ho "lalana sy fahamarinana ary fiainana" (Jo 14,6) », ary « ny kristianina, izay manaraka Azy, no nantsoina hoe "mpianatry ny lalana" tany am-boalohany (jer. Asa 9,2; 19,9.23; 22,4; 24,14.22) »[10]. Araka io fijery io, dia mihoatra lavitra noho ny fankalazana fihaonana eo anivon’ny Eglizy sy ny fivoriamben’ny eveka, na resaka fitantanana anaty ao amin’ny Eglizy ny fiarahan-dia ; izany dia « manambara ny fomba fiaina sy fomba fiasan’ny Eglizy Vahoakan’Andriamanitra izay maneho sy manatanteraka amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny maha-fiombonana azy, ao amin’ny fizorana miaraka, ao amin’ny fihaonany mba hivory ary ao amin’ny fandraisana anjara mavitriky ny mpikambana ao aminy amin’ny asa fitoriana ny Evanjely »[11]. Araka izany dia mifaningotra ireo lohahevitra atolotry ny lohatenin’ny Sinaody ho teza ihodinan’ny « Eglizy miara-dia »: fiombonana, fandraisana anjara ary asa fanirahana. Soritantsika ato amin’ity toko ity ireo foto-kevitra ara-teôlôjia ifaharan’io fomba fijery io.

11. Tamin’ny taon’arivo voalohany, ny hoe « miara-mizotra », izany hoe mampihatra ny fiarahan-dia, dia fomba fiasa nahazatra ny Eglizy amin’ny maha-« Vahoaka novorìn’ny firaisan’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina »[12] azy. Ireo izay nampizarazara ny Eglizy vatana dia nampifanoherin’ny Aban’ny Eglizy tamin’ny fiombonan’ny Eglizy miely patrana manerana an’izao tontolo izao, izay nofaritan’i Md Augustin ho «concordissima fidei conspiratio»[13], izany hoe : fiombonana ao amin’ny finoan’ny vita Batemy rehetra. Ao amin’izany no miorim-paka ny fivelaran’ny fomba fiaina sy fomba fanao ampiharana ny fiarahan-dia amin’ny ambaratonga rehetra ao amin’ny fiainan’ny Eglizy -eo an-toerana, amin’ny faritra, maneran-tany-, izay niseho tamin’ny endriny faratampony tao amin’ny Konsily Ekiomenika. Tao amin’io tontolon’ny Eglizy io, no nahafahan’i Md Jean Chrysostome nilaza fa « mitovy ny hevitry ny teny hoe Eglizy sy ny teny hoe Sinaody »[14], rehefa notsilovin’ny fitsipika fototra mikasika ny fandraisana anjaran’ny rehetra amin’ny fiainam-piangonana izy. Tamin’ny taon’arivo faharoa, na dia nanantitrantitra mafy momba ny asa sahanin’ny ambaratongam-pitantanana aza ny Eglizy, dia tsy latsa-danja akory io fomba fiasa nampiharana ny fiarahan-dia io : raha toa mantsy ka efa nisy sy nankatoavina, tetsy ankilan’ny Konsily Ekiomenika, ny fankalazàna sinaody diôsezanina sy isam-paritra tamin’ny vanim-potoana medievaly sy môderna, dia sitraky ny Papa koa ny naka ny hevitry ny Eveka mba hahalalàna ny finoan’ny Eglizy manontolo, tamin’ny famaritana amam-panolorana ireo fahamarinana tsy maintsy inoana (dôgma), ka nitodihana sy niantsoana vonjy tamin’ny fahefan’ny fahatsapam-pinoan’ny vahoakan’Andriamanitra manontolo, izay « tsy mety diso rehefa mino » (EG, lah. 119).

12. Ao amin’io hery ananan’ny Lovam-panahy io no miorim-paka ny Konsily Vatikana II. Asongadiny fa « sitrak’Andriamanitra ny hanamasinana sy hamonjena ny olombelona, tsy misingantsingana nefa koa tsy miankina amin’izay mety ho fifamatorana amin’izy samy izy, fa sitrany ny hampijoro azy ho vahoaka iray hankato Azy anatin’ny fahamarinana sy hanompo Azy amim-pahamasinana » (FF, lah. 9). Ampiraisin’ny Batemy ireo rantsam-batan’ny vahoakan’Andriamanitra, ary « na dia sitrak’i Kristy ho mpampianatra aza ny sasany, mpitantana ny mistery ary mpiandry hahasoa ny hafa ny sasany, dia misy fitoviana torosy tanteraka eo amin’izy ireo, mikasika ny fahamendrehena sy ny asa handrafetana ny Vatan’i Kristy, izay iombonan’ny Mpino rehetra » (FF, lah. 32). Noho izany, dia mpandray anjara amin’ny adidy maha-mpisorona, maha-mpaminany ary maha-mpanjaka an’i Kristy ny vita batemy rehetra, « amin’ny fitantanana ny harenan’ny fanomezam-pahasoavany izay miseho amin’ny endrika maro sy mirindra, ny harenan’ny fiantsoana sy ny asa fanompoana »[15], ka tonga mpiantsehatra mavitrika amin’ny fitoriana ny Evanjely, na mandeha irery izany na miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra manontolo.

13. Nantitranterin’ny Konsily fa noho ny fanosorana avy amin’ny Fanahy Masina noraisina tamin’ny Batemy, dia « tsy mety ho diso amin’ny finoana ny fitambaram-ben’ny Mpino, ary io sata manokana ananany io dia asehony amin’ny fahatsapam-pinoana sopernatoralin’ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo, rehefa aharihariny ny fanekeny iombonambe maneran-tany mikasika ny finoana sy ny fitondran-tena, manomboka amin’ny Eveka ka hatrany amin’ny mpino lahika madinika indrindra » (FF, lah. 12). Ny Fanahy Masina no mitarika ny mpino « amin’ny marina rehetra » (Jo 16,13). Noho ny asany, dia « miroborobo ao amin’ny Eglizy ny Lovam-panahy noraisina tamin’ny Apôstôly », satria ny vahoakan’Andriamanitra manontolo dia mitombo amin’ny fahazoana sy amin’ny traikefan’ny « zavatra sy ny teny nampitaina, na tamin’ny fibanjinana sy ny fianarana ataon’ny mpino izay mandinika izany ao am-pony (Lk 2,19.51) ; na amin’ny fahazoany ny zava-panahy avy amina traikefa lalina kokoa, na amin’ny alalan’ny fitorian-tenin’ireo nahazo fanomezam-pahasoavana, izay azo antoka fa manambara ny fahamarinana, dia ireo Eveka nifandimby » (FA, lah. 8). Io vahoaka vorìn’ny Mpiandry Ondry io tokoa manko dia mifikitra amin’ny tahiry masin’ny Tenin’Andriamanitra nankinina amin’ny Eglizy, mitozo tsy miato amin’ny fampianaran’ny Apôstôly, ao amin’ny fiombonam-pirahalahiana, amin’ny fizaràna ny mofo sy ny fivavahana, « ka rehefa mitahiry sy mampihatra ary manambara ny finoana nampitaina izy ireo, dia misy fiombonam-panahy miavaka eo amin’ny Mpiandry sy ny Mpino » (FA, lah. 10).

14. Noho izany dia aoka tsy hatahotra ny hihaino ny andian’ondry nankinina aminy ireo Mpiandry ondry, izay natsangan’Andriamanitra ho « mpitahiry azo antoka, mpivaofy sy vavolombelon’ny finoan’ny Eglizy manontolo »[16] : ny fakan-kevitra amin’ny vahoakan’Andriamanitra anefa dia tsy midika hoe fandraisana sy fampiharana eo anivon’ny Eglizy ireo fitsipika manentana ny demôkrasia, izay mifototra amin’ny lalànan’ny maro an’isa, satria fitiavana iombonana mirehidrehitra amin’ny asa fitoriana ny Evanjely no fototry ny fandraisana anjara amin’ny dingan’ny fiarahan-dia, fa tsy fisoloana tena itakiana tombontsoa ifanoherana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy inona izany fa dingana iray eo anivon’ny Eglizy, izay tsy mety ho tanteraka raha tsy « ao anatin’ny ankohonam-piainana misy ambaratongam-pitantanana voarafitra »[17]. Rehefa mifandray tsara ka mitondra vokatra ny fahatsapam-pinoan’ny Vahoakan’Andriamanitra sy ny asana mpampianatra iantsorohan’ny Mpiandry ondry, dia tanteraka fiombonan-kevitry ny Eglizy manontolo ao anatin’ny finoana iray ihany. Endrika mihariharin’ny « fiarahan-dia », izay mampitombo sy mampivelatra ny Eglizy, ny dingan’ny fiarahan-dia tsirairay avy; ao indrindra no iantsoana ny eveka hamantatra izay lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy, tsy mandeha irery anefa izy fa mila mihaino ny Vahoakan’Andriamanitra, izay « mandray anjara ihany koa amin’ny adidy maha-mpaminany an’i Kristy » (FF, lah. 12). Nantitranterin’i Md Benoît fa « matetika ny Tompo no manambara ny fanapahan-kevitra tsara »[18] amin’izay tsy manana anjara toerana lehibe eo anivon’ny ankohonam-piainana, eto amin’ity tranga ity dia amin’ny tanora indrindra izany. Torak’izany koa dia tokony hoheverin’ny eveka ny fomba hampandraisana anjara ny rehetra, mba ho tanteraka ao amin’ny fizotran’ny dia iaraha-manatontosa, ilay nanafaran’i Paoly apôstôly an’ireo ankohonam-piainana hoe: « Aza mamono ny Fanahy Masina. Zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara » (1Tes 5,19-21).

15. Voalohany indrindra, ny hevitry ny "dia" iantsoana antsika rehetra dia ny hahitana ny toetra sy ny endriky ny « Eglizy miara-dia », fa « manana zavatra ianarana ao ny tsirairay. Mifampihaino izy rehetra: dia ny vahoakan’Andriamanitra, ny fivondronamben’ny eveka, ny Evekan’i Rôma ; ary samy mihaino ny Fanahy Masina, dia ilay "Fanahin’ny fahamarinana" (Jo 14,17), mba ahafantarana izay "lazainy amin’ny Eglizy" (Ap 2,7) »[19]. Angatahin’ny Evekan’i Rôma, izay loharano sy fototry ny fiombonan’ny Eglizy, ny hidiran’ny eveka rehetra sy ny Eglizy any an-toerana avy amim-pitokisana sy fahasahiana, ao amin’ny lalan’ny fiarahan-dia, fa ao amin’ireny Eglizy any an-toerana ireny no misy ny Eglizy katôlika iray sy tokana aman-tany, ary izy ireny koa no mampisy azy (jer. FF, lah.23). Ao amin’io « fiarahan-dia » io, dia angataho ny Fanahy Masina mba hampahitàny antsika ny maha-zava-dehibe ny fiombonana amin’ny asa fanirahana, dia ilay fiombonana mampivondrona ho iray ny fanomezana sy ny fanomezam-pahasoavana ary ny fanompoana samihafa : ny « Eglizy miara-dia » dia Eglizy "mivoaka", Eglizy misiônera, Eglizy « manokatra ny varavarany » (EG, lah. 46). Voaray ao anatin’izany ny antso handalina ny fifandraisana amin’ny Fiangonana sy amin’ny ankohonam-piainana kristianina hafa, dia ireo ampiraisin’ny Batemy tokana amintsika. Mbola mivelatra bebe kokoa noho izany anefa ny sehatry ny « fiarahan-dia », satria mahakasika ny taranak’olombelona manontolo izy io, dia ireo « iombonantsika hafaliana sy fanantenana, ary fahoriana sy tebiteby » (FAA, lah. 1). Ny « Eglizy miara-dia » dia famantarana maha-mpaminany, indrindra ho an’ny ankohonam-pirenena tsy afa-manolotra vinan’asa iombonana, hanatrarana ny soa ho an’ny besinimaro: ny fampiharana ny fiarahan-dia dia fomba iray miharihary ho an’ny Eglizy, hijoroany ho « sakramentam-pamonjena ho an’izao tontolo izao » (FF, lah.48) sy ho « famantarana sady fitaovana hanatanterahana ny fiombonana lalina amin’Andriamanitra sy ny firaisan’ny taranak’olombelona rehetra » (FF, lah. 1).

III. Eo am-pihainoana ny Soratra Masina

16. Io Fanahin’Andriamanitra io ihany, izay niasa tao amin’ny iraka notontosain’i Jesoa, Ilay Fanahy Masina nampanantenaina ny apôstôly sy ny mpianatra amin’ny taona mifandimby, dia ireo izay mihaino ny Tenin’Andriamanitra sy manatanteraka izany, no Fanahy manilo sy mamelona an’io « fiarahan-dia » io. Tsy mihanona amin’ny fanamafisana ny fitohizan’ny Evanjelin’i Jesoa araka ny fampanantenan’ny Tompo fotsiny ny Fanahy Masina, fa hanilo ny halalina vaovaon’ny Fanambaràny sy hanolo-tsaina ho amin’ny fanapahan-kevitra ilaina hanohanana ny dian’ny Eglizy (jer Jo 14,25-26; 15,26-27; 16,12-15). Noho izany dia ilain’ny ‘dia’ ataontsika, ho fanorenana « Eglizy miara-dia », ny manovo hevitra amina kisary anankiroa voalaza ao amin’ny Soratra Masina. Ny voalohany dia mipoitra avy amin’ny fampisongadinana ny lafiny maha-ankohonam-piainana, izay miara-dàlana lalandava amin’ny làlan’ny fitoriana ny evanjely; ny faharoa indray dia mifandraika amin’ny traikefa ananana momba ny Fanahy Masina, tao amin’io traikefa io manko no nieken’i Piera sy ny Eglizy tany am-piandohana, fa mety hitera-doza ny fametrahana fetra na fepetra tsy dia mitombona loatra amin’ny fizaràna ny finoana. Ny traikefa iaraha-mampihatra ny « fiarahan-dia » dia ho afaka handray tolokevitra tsy iverenan-dàlana, avy amin’ny fandinihana ireo vanim-potoana roan’ny Fanambaràna: dia ny vanim-potoana nanarahan’ny apôstôly ny Tompo sy ny vanim-potoana nanekeny hotarihin’ny Fanahy Masina.

Jesoa, ny vahoaka, ny apôstôly

17. Tamin’ny nitorian’i Jesoa ny fiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia misy singa iray tsy miova nentiny nanambara ny tenany ao amin’ny Evanjely: miavaka tokoa izy io raha ny firafiny no jerena. Telo (miampy iray hafa) ireo mpiantsehatra mandray anjara. Mazava ho azy fa i Jesoa no voalohany, ilay mpiantsehatra tsy iadian-kevitra izay nandray ny finiavana, namafy ny teny sy ny famantarana ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, tsy nisy « fizahan-tavan’olona » (jer. Asa 10,34). Notsinjovin’i Jesoa manokana tamin’ny fomba maro ireo "tafasaraka" tamin’Andriamanitra sy « narian’ny ankohonam-piangonana (ny mpanota sy ny mahantra, araka ny fomba fiteny evanjelika). Nanolotra fanafahana tamin’ny ratsy sy fibebahana ho amin’ny fanantenana tamin’ny anaran’Andriamanitra Ray sy tao amin’ny herin’ny Fanahy Masina, tamin’ny alalan’ny teniny sy ny fihetsiny i Jesoa. Na samihafa aza ny fiantsoana sy ny fomba famaliana ny fandraisana ny Tompo, dia nisy hatrany ny soritra niombonana, dia ny hoe miseho mandrakariva ho toy ny fanomezan-danja ny olona ny finoana: nohenoina ny fitarainany, nomena fanampiana izy tamin’ny zava-manahirana azy, nankamamiana ny fahavononany, nohamafisin’ny fijerin’Andriamanitra ny fahamendrehany ary voaverina amin’ny laoniny ka nankatoavin’ny ankohonam-piainana.

18. Ny asa fitoriana ny Evanjely sy ny hafa-pamonjena tokoa mantsy dia tsy mety ho takatry ny saina, raha tsy eo ny fisokafana tsy miato ataon’i Jesoa amin’olona maro kokoa araka izay tratra; ireny no lazain’ny evanjely fa vahoaka, na koa fitambaran’ireo olona nanaraka azy teny an-dalana, ary indraindray aza dia manjohy Azy hatraiza hatraiza noho ny fanantenany hahita famantarana na handre tenim-pamonjena iray. Dia io vahoaka io no mpiantsehatra faharoa ao amin’ny fizotry ny Fanambaràna. Tsy olom-bitsy nahazo fanilovana na voafidy mialoha manko no nitoriana ny Evanjely. Ny vahoaka ankapobeny, izany hoe ireo rehetra niaina ny toetra maha-olombelona, no niresahan’i Jesoa, nampifandraisiny mivantana tamin’ny fanomezan’Andriamanitra sy tamin’ny fiantsoana ho amin’ny famonjena. Gaga ireo vavolombelona ary indraindray aza dia tafintohina, fa nanaiky hiresaka tamin’ireo rehetra nipoitra avy amin’ny sarambabem-bahoaka i Jesoa: nohenoiny ny fitarainana feno hafanampon’ilay vehivavy Kananeanina (jer. Mt 15,21-28), izay tsy nanaiky ny ho voahilika tsy hahazo ny tsodrano nentiny; nekeny ny hiresaka tamin’ilay vehivavy Samaritanina (Jo 4,1-42), na dia vehivavy voageja teo amin’ny lafim-piaraha-monina sy ara-pivavahana aza io; notarihiny hanao fihetsika maneho finoana an-kalalahana sy fiekena Azy ilay teraka jamba (Jo 9), izay nailiky ny fivavahana ôfisialy ho toy ny vahiny any ivelan’ny faritry ny fahasoavana.

19. Ny sasany tamin’ireo vahoaka ireo dia nanaraka an-karihary an’i Jesoa, niezaka tsy nivadika amin’ny maha-mpianatra; ny hafa kosa nasaina hiverina any amin’ny fiainany andavanandro: samy mijoro ho vavolombelon’ny herin’ny finoana namonjy azy ireo avy anefa izy rehetra (jer. Mt 15,28). Nisongadina indrindra tamin’ireo nanaraka an’i Jesoa ny apôstôly, izay nantsoiny hatramin’ny voalohany, natokany ho mpanelanelana nomena fahefàna hisahana ny fifandraisan’ny vahoaka amin’ny Fanambaràna sy amin’ny fiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny fidiran’io antokon’olona fahatelo io an-tsehatra dia tsy mba avy amin’ny fanasitranana na fibebahana, fa mifanojo indrindra amin’ny fiantsoan’i Jesoa. Ny fiantsoana ny apôstôly dia tsy tombontsoa miompana amina toerana ananana fahefàna anilihana ny hafa na tombontsoa vokatry ny fisarahana amin’ny hafa, fa fahasoavan’ny fandraharaham-panompoana iray mitondra tsodrano sy fiombonana, tsy anavahana na iza na iza. Noho ny nanomezana ny Fanahy Masin’ny Tompo nitsangan-ko velona, dia tsy maintsy ho sarotiny amin’ny toeran’i Jesoa ny apôstôly, kanefa koa tsy hisolo Azy: tsy hametraka sivana amin’ny fifandraisan’ny olona Aminy, fa hanamora ny fihaonana Aminy.

20. Jesoa, ny vahoaka ao amin’ny fahasamihafàny, ny apôstôly: io ilay kisary ary mistery hobanjinina sy hohalalinina lalandava mba hahatonga ny Eglizy araka ny maha-izy azy hatrany. Tsy misy afaka miala an-daharana ireo mpiantsehatra telo ireo. Raha tsy eo i Jesoa dia tsy maintsy hisy olon-kafa haka ny toerany, amin’izay dia lasa fifanarahana amin’ny apôstôly sy ny vahoaka fotsiny ny Eglizy, ka hiafara tahaka ny teti-panorona pôlitika ny fifampiresahan’izy ireo. Raha tsy eo ny apôstôly nomen’i Jesoa alalana sy notoroan’ny Fanahy hevitra, dia ho tapaka ny fifandraisana amin’ny fahamarinana ambaran’ny Evanjely ary ho zary olona nitantaràna angano na namelabelarana fonjan-kevitra momba an’i Jesoa fotsiny ny vahoaka, ka na izy ireo handray Azy na hitsipaka. Raha tsy eo ny vahoaka, dia ho simba ny fifandraisan’i Jesoa sy ny apôstôly, ka ho lasa endrika fisamatsamahana ny fivavahana ary tsy hitodika afa-tsy amin’ny tenany, ho very fahazavana ny fitoriana ny Evanjely, dia ilay fahazavana avy amin’ny fanambaràn’Andriamanitra ny tenany izay miantefa mivantana amin’ny olona rehetra, amin’ny fanolorana azy ny famonjena.

21. Ary farany dia ao ilay mpiantsehatra fanampiny, ilay mpanohitra, izay mampiditra an-tsehatra ny fisaratsarahan’ireo telo hafa, fisaratsarahana asan’ny demony. Teo anatrehan’ny fanafintohinana ateraky ny hazofijaliana, dia nitsoaka an-daharana ny mpianatra sasany ary nisy tamin’ny vahoaka no niova hevitra. Ny vela-pandrika mampisaraka – izany hoe manohitra ny dia iombonana – dia miseho ihany koa amin’ny endriky ny fihenjanana loatra amin’ny lafiny ara-pivavahana, miseho amin’ny fanerena be fahatany eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena izay hentitra lavitra noho ny an’i Jesoa, sy miseho amin’ny fisarihana ny olona hanatona amin’ny alalan’ny fahendrena pôlitikan’izao tontolo izao, izay milaza tena ho mahomby lavitra noho ny fanavahana amam-pamantarana ny fanahy. Mba hahafahana amin’ny famitahana ataon’ilay mpiantsehatra fahefatra dia ilaina ny fibebahana mitohy. Miteny ho azy ny amin’izany ny tantaran’i Kôrnely mpifehy miaramila zato (jer. Asa 10), zava-nitranga talohan’ny Konsily tao Jerosalema (jer. Asa 15) izay teboka iray manan-danja tsara itodihana sy iverimberenana matetika mba hampisiana Eglizy « miara-dia ».

 

Fibebahana roa sosona: i Piera sy i Kôrnely (Asa 10).

Tantaraina eto ny fibebahan’i Kôrnely, izay nialohavana karazana fanambaràna mialoha. Tsy mpino i Kôrnely, mety ho Rômanina, mpifehy miaramila zato, izany hoe manamboninahitra farany ambany tamin’ny tafiky ny mpanjanaka, izay manatanteraka asa mifototra amin’ny herisetra sy fanararaotam-pahefana. Na izany aza anefa dia tia vavaka sy mpanao asa fiantràna izy, izany hoe nanana fifandraisana tamin’Andriamanitra ary niahy ny olombelona namany. Tsy nampoizina anefa fa tao an-tranony mihitsy no niditra ny anjely, niantso azy tamin’ny anarany sy nampirisika azy handefa ny mpanompony ho any Jope hiantso an’i Piera – mandefa: matoanteny fampiasa amin’ny asa fanirahana; miantso: matoanteny fampiasa amin’ny fiantsoana. Lasa fitantaràna ny fibebahan’i Piera anefa ny zavatra niseho; tamin’io andro io manko dia nahazo fahitana koa i Piera, nisy feo nibaiko azy hamono sy hihinana amin’ireo biby naseho azy, biby maloto anefa ny sasany tamin’ireny. Nazava sy hentitra ny valin-teniny: « Sanatria izany, Tompoko » (Asa 10,14). Fantany fa ny Tompo no niteny taminy, fa notoheriny tamin’ny fomba mazava, satria manozongozona ny fitsipiky ny Lalàna izay tsy tokony holavina amin’ny maha-Jody azy, fitsipika izay toa mampiseho fa fahasamihafàna mifono fisarahana sy fanavahana miohatra amin’ny hafa (vahoaka) no hevitry ny fifidianana (fiantsoana) ataon’ny Tompo.

23. Very hevitra mafy ity apôstôly ity, ary raha mbola nanontany tena ny amin’ny hevitr’izay niseho izy, dia tonga ireo olona nirahin’i Kôrnely, izay nambaran’ny Fanahy taminy fa iraka nalefany. Mampahatsiaro ny tenin’i Jesoa tao an-tanimbolin’ôliva ny teny namalian’i Piera an’ireo olona ireo: « Izaho no ilay tadiavinareo » (Asa 10,21). Tena fibebahana marina io, dingana ivoahana avy ao amin’ny sokajy ara-kolontsaina sy ara-pivavahana misy ny tenany, dingana niaretana fanaintainana sy nitondra vokatra: nanaiky hihinana niaraka tamin’ny Jentily i Piera, sakafo izay noheveriny hatramin’izay fa maloto, kanefa eto dia ekeny ho fitaovana mahavelona ary mampiombona amin’Andriamanitra sy amin’ny hafa. Ao amin’ny fihaonana amin’ny olona, amin’ny fandraisana azy ireny, iarahana dia aminy sy idirana ao an-tranony, no ahazoany ny hevitry ny fahitany: tsy misy olombelona tsy mendrika eo imason’Andriamanitra, ary ny fahasamihafana nateraky ny fifidianana dia tsy fiangarana hanilihana ny hafa akory, fa fanompoana sy fijoroana ho vavolombelona mivelatra amin’izao tontolo izao.

24. Na i Piera na i Kôrnely dia samy nahatarika olona tamin’ny dingam-pibebahany, ka noraisin’izy ireo ho mpiara-dia taminy ireny olona ireny. Ny asan’apôstôly araka izany dia mahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra mahary ankohonam-piainana, mampirodana ny sakana ary mampiroborobo fihaonana. Mitana anjara toerana lehibe ao amin’ny fihaonan’ireto mpiantsehatra roa ireto ny Teny. Nanomboka nizara ny zavatra hitany i Kôrnely. I Piera kosa nihaino azy, avy eo dia nandray fitenenana nampahafantatra izay niseho taminy koa, ary nijoro ho vavolombelona fa eo akaiky eo ny Tompo, ary mitsena ny olona tsirairay mba hanafaka azy amin’ny ratsy mangeja azy sy amin’izay mampihen-danja ny maha-olona azy (jer. Asa 10,38). Io fomba nampitàna hafatra io dia mitovy amin’izay hosafidìn’i Piera, rehefa homen’ireo voafora tsiny izy any Jerosalema, rehefa hampangain’ireo fa nandika ny fitsipika nentim-paharazana, izay nampifantohan’izy ireo ny sainy manontolo, ka tsy niraharahàny ny firotsahan’ny Fanahy Masina: « Niantrano tany amin’ny olona tsy voafora ianao ary niara-nihinana tamin’izy ireo! » (Asa 11,3). Tamin’io fotoana nifandirana io no nitantaran’i Piera izay niseho taminy sy ny fahaverezan-keviny, ny tsy fahazoany an-tsaina ny zava-nitranga sy ny fanoherany. Izany indrindra anefa no hanampy an’ireo olona niresaka taminy ireo hihaino sy handray ny zava-nitranga, na dia somary nasiatsiaka sy tsy nisokatra aza izy ireny teny am-boalohany. Nanampy tamin’ny fivoasana ny hevitr’izany ny Soratra Masina, tahaka izay hitranga ihany koa mandritra ny Kônsily any Jerosalema, ao anatin’ny dingan’ny fandinihana amam-pamantarana, izay fiaraha-mihaino ny Fanahy.

IV. Fampiharana ny fiarahan-dia: torolalana hakana hevitra amin’ny Vahoakan’Andriamanitra.

25. Ny ‘dia’ iaraha-manatontosa, izay tsilovin’ny Tenin’Andriamanitra sy mifototra ao amin’ny Lovam-panahy, dia miorim-paka ao amin’ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra, izay fiainana azo tsapain-tànana. Maneho toetra manokana izay loharanon-karena tena miavaka koa izy io: sady tanjona mantsy no fomba hanatanterahana asa (metôda) ny fiarahan-dia. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia sady karazana toerana hanatanterahana ny asa izy io no fanandramana atao fitaratra na fakan-tahaka, ahazoana manangona sahady ireo vokatry ny hery manetsika ampidirin’ny fibebahana miandalana ho amin’ny fiarahan-dia (conversion synodale) ao amin’ny ankohonam-piainana kristianina. Etsy andanin’izany dia tsy maintsy hampitodika ny mpino amin’ireo traikefam-piarahan-dia efa niainana tamina sehatra maro ary tamina dingana samihafa samy manana ny lanjany izy io. Ny herin’ny fiarahan-dia sy ny fahombiazany, tahaka ny fetrany sy ny hasarotana nosedraina, dia manolotra singa sarobidy ilaina amin’ny fiezahana mamantatra ny zotran’ny lalana mbola harahina. Mazava loatra fa mitodika amin’ireo traikefa netsehin’ity ‘dia’ iaraha-manatontosa ity isika, fa ilaina koa ny mitodika amin’ireo traikefa rehetra efa nanandramana karazana endrika « fiarahan-dia » amin’ny fiainana andavanandro, na dia tsy fantatra sy tsy ampiasaina amin’izany akory aza io teny io.

Ny fanontaniana fototra

26. Ny fanontaniana fototra hitarihana ity fakan-kevitra amin’ny Vahoakan’Andriamanitra ity, araka ny efa natsidika teny am-panokafana, dia izao manaraka izao: « ny Eglizy miara-dia » eo am-pitoriana ny Evanjely, dia « miara-mizotra » : ahoana no anatanterahana an’io « fiarahan-dia » io ankehitriny ao amin’ny Eglizy misy anareo? Inona ny dingana andrasan’ny Fanahy Masina amintsika hampiroboroboana an’ity fiarahan-dia ity ?

Ho famaliana an’io fanontaniana fototra io, dia asaina ianareo:

a) hametra-panontaniana: traikefa toy inona ao amin’ny diôsezinareo no ampahatsiahivin’io fanontaniana fototra io anareo?

b) hanao jery todika sy handalina bebe kokoa ireny traikefa ireny: hafaliana manahoana no naterak’izany? Inona ny fahasarotana sy sakana tojo anareo tamin’izany? Karazana ratra toy inona no napoitrany? Fahatsapàna (tsindrimandry) toy inona no vokany?

d) hioty ny vokatra hanaovana fifampizaràna: taiza ho aiza tamin’ireny traikefa ireny no nanakoako ny feon’ny Fanahy? Inona no angatahiny amintsika? Inona ny lafiny mbola mila fanamafisana orina, ny zavatra tokony hovaina, ny dingana hotanterahina? Taiza no nahitantsika hevitra niombonana? Lalana toy inona no misokatra ho an’ny diôsezintsika?

Endrika maro isehoan’ny fiarahan-dia

27. Ao amin’ny fivavahana, ao amin’ny fandinihana sy ny fifampizaràna nofohazin’ny fanontaniana fototra, dia tsara ny mitana an-tsaina ireo sehatra telo ihariharian’ny fiarahan-dia ho toy ny « lafy mandrafitra ny Eglizy »[20] :

-       ny sehatry ny fomba iainan’ny Eglizy sy ny fomba iasàny amin’ny andavanandro, izay maneho ny toetran’ny Vahoakan’Andriamanitra miara-mizotra sy manao fivoriambe nampiantsoan’ny Tompo Jesoa ao amin’ny herin’ny Fanahy Masina, mba hitoriana ny Evanjely. Io fomba fiaina sy fomba fiasa io dia tanteraka ao amin’ny « fiarahan’ny ankohonam-piainana mihaino ny Tenin’Andriamanitra sy ao amin’ny fankalazàna ny Eokaristia, ao amin’ny firahalahiam-piombonana ary ao amin’ny fiaraha-miantsoroka andraikitra sy ny fandraisana anjaran’ny Vahoakan’Andriamanitra rehetra amin’ny fiainan’ny Eglizy sy ny asa nanirahana azy, araka ny sehatra misy azy ireo avy sy ao amin’ny fahasamihafan’ny fandraharahàm-panompoana sy ny asa »[21].

-       Ny sehatry ny rafitra sy ny dingam-pitomboana eo anivon’ny Eglizy nofaritan’ny fijery teôlôjika sy kanônika (araka ny Lalànan’ny Eglizy), ka isehoan’ny tena toetran’ny Eglizy, toetra anjakan’ny fiarahan-dia tanteraka, amin’ny endrika rafitra eo an-toerana, na amin’ny faritra na maneran-tany;

-       Ny sehatry ny atrik’asa sy ny hetsika amin’ny fanatanterahana sinaody iantsoan’ny fitondràna mahefa ny Eglizy, araka ireo dingam-panatanterahana manokana voafaritry ny fitsipiky ny Eglizy.

Na dia samihafa aza ireo sehatra ireo amin’ny fomba fijery lôjika, dia mifanjohy mandrakariva ary tsy maintsy tazonina miaraka amim-pomba mirindra, raha tsy izany dia hiteraka fanafintohinana ka lasa tsy inoan-teny intsony ny Eglizy. Raha tsy zary zava-misy azo tsapain-tànana ao amin’ny sehatry ny rafitra sy ny dingam-pitomboana tokoa mantsy ny fomban’ny fiarahan-dia, dia hianjera mora foana avy amin’ny maha-faniriana amam-pikasana azy ka ho lasa kabary ambony vavahady fotsiny ihany; ary raha tsy fomba fanao sy fiaina sahaza no manentana ny atrik’asa sy ny hetsika, dia ho lasa fihetsiketsehana ivelany fotsiny nefa poakaty.

28. Ankoatr’izay, ao amin’ny fiverenana hamaky indray ny traikefa lasa, dia ilaina ny mihevitra fa azo takarina araka ny fomba fijery anankiroa mifandrohy lalina ny hoe « fiarahan-dia ». Ny voalohany dia mikasika ny fiainana anatin’ny Eglizy manokana, ny fifandraisan’ireo olona mandrafitra azy (voalohany amin’ireny ny fifandraisana eo amin’ny Mpino sy ny Mpiandry azy ireo, indrindra amin’ny alalan’ireo sampan-draharaha mpandray anjara efa voaoman’ny fitsipi-pifehezana kanônika mialoha, voaray ao anatin’izany ny sinaody diôsezanina) ary ireo ankohonam-piainana mampifanjohy azy ireo (indrindra ny Paroasy). Fa jereny ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny samy eveka sy ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Evekan’i Rôma, indrindra amin’ny alalan’ireo sampan-draharaha mpanelanelan’ny fiarahan-dia (Sinaodin’ny evekan’ireo Eglizy Patriarkaly sy arsiepiskôpaly lehibe, Filankevitry ny Hierarka -ireo Lehibe amin’ny Eglizy ôrtôdôksa- sy Fivondronan’ny Hierarka any amin’ireo Eglizy miombona amin’ny Eglizy katôlika manerantany kanefa manana ny fahaleovan-tenany manokana [sui iuris], Fivondronamben’ny eveka eo amin’ny sehatra nasiônaly na iraisam-pirenena na eo anivon’ny kôntinanta). Dia velarina kokoa izany mba ahafahan’ny Eglizy manokana mampiditra ao aminy ny fandraisana anjaran’ireo endri-piainana mihiboka samihafa, ny relijiozy, ny voatokana, fikambanana sy firohotana lahika, rafitra eo anivon’ny Eglizy amin’ny maha-ankohonam-piainan’ny mpino azy na rafitra isan-karazany miankina amin’ny Eglizy (sekoly, trano fitsaboana, anjerimanontolo, rafitra natsangana hanasoavana ny olona, fikambanana mpanao asa soa sy asa fiantràna, …). Ary farany, io fijery misokatra amin’ny hoavy io dia mamihina ihany koa ny fifandraisana sy ny fandraisana finiavana iombonana amin’ireo kristianina hafa Fiangonana, izay miombona amintsika noho ny Batemy tokana.

29. Ny fijery faharoa dia mandinika ny fomba izoran’ny Vahoakan’Andriamanitra miaraka amin’ny taranak’olombelona manontolo. Ity dingana ity dia hijanona maharitra amin’ny endri-pifandraisana, amin’ny fifanakalozan-kevitra sy amin’ireo mety ho fandraisana finiavana iombonana miaraka amin’ireo mpanaraka fivavahana hafa, amin’ireo olona lavitry ny finoana, torak’izany koa amin’ireo sehatra sy sokajy sôsialy manokana, amin’ny rafitra misy azy ireo (tontolo pôlitika, kolontsaina, fihariana, ara-bola, sehatr’asa, sendikà sy fikambanan’orinasa, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakàna sy fiaraha-monim-pirenena, firohotam-bahoaka, antokon’olona vitsy an’isa isan-karazany, ireo mahantra sy natao anjorombala, sns.).

Hevi-dehibe folo hohalalinina

30. Mba hampisongadinana ireo traikefa sy hitondrana anjara biriky misimisy kokoa amin’ny fakan-kevitra, dia atolotra manaraka eto ireo hevi-dehibe folo maneho ireo endrika samihafa ananan’ny « fiarahan-dia iainana ». Ampifanarahina amin’ny toe-javamisy any an-toerana izy ireny, ampidirina arakaraka ny irosoan’ny fotoana, hazavaina, tsotsorina, halalinina, ka tsinjovina manokana ireo manana fahasahiranana amin’ny fandraisana anjara sy ny famaliana izany : ny Vademecum na soridalana izay ampiarahana amin’ity Tahirin-kevitra fiomanana ity dia mirakitra ireo fitaovana, ny zotra arahina sy soso-kevitra mba hanoloran’ireo hevi-dehibe ireo antsika aingam-panahy hivavaka sy hiofana, ary handinika sy hanao fifanakalozan-kevitra.

I. IREO NAMANA ENY AM-PANDEHANANA

Na ao amin’ny Eglizy na ao amin’ny fiaraha-monina dia mizotra mifanila amin’ny lalana iray isika. Ao amin’ny diôsezinareo, iza avy ireo miara-dia? Rehefa miteny isika hoe Eglizintsika, dia iza avy no ao anatin’izany? Iza no mangataka antsika hiara-dia? Iza avy ireo namana eny am-pandehanana, voaray ao ve na dia ireo ivelan’ny sehatry ny Eglizy aza? Olona manao ahoana na sokajin’olona toy inona no tavela eny anjorom-bala, niniana nahilika na noho ny zava-misy?

II. FIHAINOANA NY HAFA

Dingana voalohany ny fihainoana, saingy mitaky saina sy fo misokatra, tsy misy fitsaràna an-tendrony na fitsaràna be fahatany. Manan-trosa amin’iza ny diôsezintsika raha fihainoana no resahina? Ahoana ny fomba ihainoana ny lahika, indrindra ny tanora sy ny vehivavy? Amin’ny fomba ahoana no handraisantsika ny anjara birikin’ny olom-boatokana lahy sy vavy? Inona no anjara toeran’ny feon’ny vitsy an’isa, ireo voahilika sy atao anjorombala? Haintsika ve ny mamantatra ireo fitsarana an-tendrony sy ireo fihetsika misakana ny fihainoantsika ny hafa? Ahoana no ihainoantsika ny toe-java-misy ara-piaraha-monina sy ara-kolontsaina iainantsika?

III. FANOMEZANA ANJARA FITENENANA

Asaina hiteny an-kasahiana sy an-kalalahana ny rehetra, izany hoe omena sehatra ny fahafahana sy ny fahamarinana ary ny fitiavana. Ahoana no ampiroboroboantsika fomba fampitan-kevitra iray malalaka sy tena marina, tsy misy firoaroahan-kevitra sy fanararaotana tranga eo anivon’ny ankohonam-piainantsika sy ireo sampan-draharahany? Ary eo anatrehan’ny fiaraha-monina misy antsika? Rahoviana ary ahoana no ahafahantsika milaza izay tena ao am-pontsika (tiantsika)? Manahoana ny fizotran’ny fifandraisana amin’ny tontolon’ny serasera (tsy ny serasera katôlika ihany akory)? Iza no miteny amin’ny anaran’ny ankohonam-piainana kristianina ary ahoana no ifidianana azy?

IV. FANKALAZANA LITORJIA

Raha atao miorim-paka ao amin’ny fiarahana mihaino ny Tenin’Andriamanitra sy ny fankalazàna ny Eokaristia ihany ny fiarahan-dia vao ho azo tanterahina sy tanteraka. Amin’ny fomba ahoana no hanetsehan’ny vavaka sy ny fankalazàna litorjika ny fiarahantsika mizotra sy itarihany izany? Ahoana no anomezany tolotsaina an’ireo fanapahan-kevitra manan-danja? Ahoana no ampiroboroboantsika ny fandraisana anjara mavitriky ny Mpino rehetra amin’ny litorjia sy ny fanatanterahana ny adidy fanamasinana ny vahoakan’Andriamanitra? Inona no anjara toerana omena ny fanatanterahana ny asa fandraharahàn’ny famakiana teny (lectorat) sy ny fanotronana (acolytat)?

V. FIARAHANA MIJORO HO TOMPON’ANDRAIKITRA AMIN’NY ASA FANIRAHANA

Ampiasaina hanatanterahana ny asa anirahana ny Eglizy ny fiarahan-dia, antsoina handray anjara amin’io asa fanirahana io ny rantsam-batany rehetra. Noho isika rehetra mpianatra misiônera, dia amin’ny fomba ahoana no iantsoana ny vita batemy tsirairay ho mpiantsehatra amin’ny asa anirahana ny Eglizy? Ahoana no anohanan’ny ankohonam-piainana ireo mpikambana ao aminy mirotsaka amin’ny fanompoana eo anivom-piaraha-monina (sôsialy, pôlitika, fikarohana ara-tsiansa sy amin’ny fampianarana, amin’ny fampiroboroboana ny rariny ara-tsôsialy, fiantohana ny zon’olombelona sy amin’ny fikolokoloana ny Tranobe iombonana, sns.)? Ahoana no hanampiany azy ireo hiaina an’ireny fandraisany andraikitra ireny araka ny foto-kevitra ijoroan’ny asa fanirahana? Ahoana no anaovana fandinihana mikasika ny safidy mifandraika amin’ny asa fanirahana ary iza avy no mandray anjara amin’izany? Ahoana no nampidirana sy nampifanarahana tamin’ny zavamisy ny fomba amam-panao samihafa (traditions) mikasika ny fomba fanao ampiharana ny fiarahan-dia, dia ireo fomba amam-panao mandrafitra ny harena lovain-jafin’ny Eglizy maro, indrindra ny Eglizy Tatsinanana, mba hampisiana fijoroana ho vavolombelona kristianina mahomby? Manahoana ny fizotry ny fiaraha-miasa any amin’ireo faritra misy Eglizy mahaleo tena nefa miombona amin’ny Eglizy katôlika maneran-tany (sui iuris)?

VI. FIFANAKALOZAN-KEVITRA AO AMIN’NY EGLIZY SY NY FIARAHA-MONINA

Lalana mitaky faharetana goavana ary mirakitra fahanginana sy fijaliana ny fifanakalozan-kevitra, saingy afaka manangona traikefan’olona sy vahoaka maro. Inona avy ireo toerana sy fomba ifanakalozana hevitra eo anivon’ny Eglizy misy antsika? Ahoana no iatrehana ny fahasamihafam-pijery, ny fifanoherana sy ny fahasarotana? Ahoana no ampiroboroboantsika ny fiaraha-miasa amin’ny diôsezy mifanolo-bodirindrina, miaraka amin’ny ankohonampiainan-dreljiozy misy eo amin’ny faritra, miaraka amin’ny fikambanana sy firohotana lahika, sns.? Karazana traikefam-pifanakalozan-kevitra sy traikefam-pandraisana andraikitra iombonana toy inona no raisintsika an-tanana miaraka amin’ny mpanaraka fombam-pivavahana hafa sy amin’ny tsy mpino? Ahoana ny fomba ifanakalozan’ny Eglizy hevitra amin’ny sampan-draharaha hafa eo anivom-piaraha-monina sy andraisany lesona avy amin’izy ireny: tontolon’ny pôlitika sy ny seha-pihariana, ny kolontsaina, ny fiaraha-monim-pirenena, ny mahantra, …?

VII. FIARAHANA AMIN’NY FIANGONANA KRISTIANINA HAFA

Manana anjara toerana manokana ao amin’ny dia iaraha-manatontosa ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny kristianina samy hafa Fiangonana, kanefa atambatry ny Batemy iray. Karazam-pifandraisana toy inona no misy amintsika sy amin’ireo rahalahy sy anabavy amin’ny Fiangonana kristianina hafa? Sehatry ny inona no voakasik’izany? Inona no vokatra azontsika nosintonina tamin’io « fiarahan-dia » io? Inona ny fahasarotana hita?

VIII. FAHEFANA SY FANDRAISANA ANJARA

Ny « Eglizy miara-dia » dia Eglizy mampandray anjara ny olona sy miara-tompon’andraikitra. Ahoana no amaritana ny tanjona hotratrarina, ny lalana hahatratrarana izany ary ny dingana hotanterahina? Ahoana no ampiharana ny fahefana ao anatin’ny Eglizy misy antsika? Inona avy ny zavatra fanao amin’ny asana ekipa sy amin’ny fiaraha-miantsoroka andraikitra? Manahoana ny fampiroboroboana ny asa fandraharahàna sahanin’ny lahika sy ny fiantsorohana andraikitra raisin’ny Mpino an-tànana? Ahoana ny fiasan’ireo sampan-draharaha misahana ny fiarahan-dia eo amin’ny sehatry ny Eglizy tsirairay any an-toerana na diôsezy? Traikefa mitondra vokatra ve izy ireny?

IX. FIARAHA-MANDINIKA SY FANAPAHAN-KEVITRA

Ao amin’ny fanaovana dingam-pandinihana amam-pamantarana no anapahana hevitra ao amin’ny fomba iarahan-dia, ka ny hevitra iraisana mipoitra avy ao amin’ny fiaraha-manaiky ny Fanahy Masina no fototra iaingàna. Inona avy no atao ary inona ny fomba fiasa hanaovantsika dingam-pamantarana miaraka sy handraisantsika fanapahan-kevitra? Ahoana no ahafahana manatsara an’izany? Ahoana no hanomezantsika vahana ny fandraisana anjara amin’ny fanapahan-kevitra eo anivon’ny ankohonam-piainana misy ambaratongan-drafitra? Ahoana no andrindrantsika ny dingan’ny fakan-kevitra amin’ny dingan’ny fanapahan-kevitra, ny dingan’ny famolavolàna fanapahan-kevitra miaraka amin’ny dingan’ny fandraisana fanapahan-kevitra? Amin’ny fomba ahoana ary fitaovana toy inona no ampiroboroboantsika ny mangarahara sy ny fiaraha-miantsoroka andraikitra?

X. FIOFANANA HO AMIN’NY FIARAHAN-DIA

Ny fiainam-panahin’ny « fiarahan-dia » dia ezahina ho tonga fitsipika fototra enti-manabe ho an’ny fiofanan’ny olona sy ny kristianina, ny fianakaviana sy ny ankohonam-piainana. Ahoana no hanofanantsika ny olona, indrindra ireo mitana andraikitra eo anivon’ny ankohonam-piainana kristianina, mba hahaizan’izy ireny « miara-mizotra » bebe kokoa, hahaizany mifampihaino sy mifanakalo hevitra? Fiofanana toy inona no omentsika hahatongavana amin’ny fahaizana mamantatra ny mety sy mampihatra ny fahefana? Fitaovana toy inona no manampy antsika handinika sy hamantatra ireo hery anaty ananan’ny kolontsaina nipoirantsika sy ny fiantraikany amin’ny fomba maha-Eglizy antsika?

Mba hitondrana ny anjara biriky amin’ny fakan-kevitra

31. Tanjon’ny dingana voalohany amin’ny dia iaraha-manatontosa ny hampisy dingam-pakan-kevitra mivelatra bebe kokoa, mba hanangonana ny harena ao amin’ireo traikefa-na fiarahan-dia efa niainana, ao amin’ny fisehony sy endriny samihafa, ka hampandraisana anjara ny Mpiandry sy ny Mpino any amin’ny Eglizy isan-toerana avy amin’ny sehatra rehetra, amin’ny alalan’ny fitaovana sahaza kokoa, arakaraka ny zava-misy mampiavaka ny toerana tsirairay : ny fakan-kevitra izay arindran’ny Eveka, dia mitodika amin’ny « Pretra, Diakra sy ny Mpino lahika ao amin’ny Egliziny avy, na misingana izany na miaraka, ka tsy azo odian-tsy hita ny anjara biriky sarobidy mety ho azo avy amin’ireo olom-boatokana lahy sy vavy » (EC, lah.7). Angatahina amin’ny fomba manokana ny anjara birikin’ireo sampan-draharaha mpandray anjara ao amin’ireo Eglizy eo an-toerana, indrindra ny Filan-kevitry ny Pretra sy ny Filan-kevitra Pastôraly, fa miainga avy amin’ireo no « ahafahana manomboka manome endrika ny Eglizy miara-dia »[22].

Sarobidy torak’izany koa ny anjara biriky entin’ireo sehatra hafa ao amin’ny Eglizy izay handefasana ity Tahirin-kevitra fanomanana ity, tahaka ny fandraisana anjaran’izay te handefa mivantana ny azy. Farany, zavadehibe loatra ny ahitan’ny feon’ny mahantra sy ny voahilika sehatra, fa tsy ny feon’ireo manana adidy sy andraikitra ao anatin’ny diôsezy ihany.

32. Ny famintinana hataon’ny Eglizy tsirairay any an-toerana amin’ny faran’ity asa fihainoana sy fiezahana mamantatra ity dia ho fandraisany anjara amin’ny dingana ataon’ny Eglizy manerantany. Mba hahamora sy hampaharitra ireo dingana manaraka amin’ny ‘dia’, dia zavadehibe ny fahaizana mamintina amin’ny fomba mafonja ao anatin’ny pejy folo raha be indrindra ny vokatry ny fivavahana sy ny fandinihana. Raha ilaina ny hampifandraisana izany amin’ny zavamisy eo an-toerana sy hanazavana azy ireny bebe kokoa, dia tsara raha asiana lahatsoratra hafa mipaingotra aminy ho fanohanana izany. Ampahatsiahivina fa tsy ny hamokatra tahirin-kevitra no tanjon’ny sinaody, izany hoe tanjon’ity fakan-kevitra ity, fa « hitarihana ny sain’ny olona hampijoro ny Eglizy araka ny tokony ho izy, ho mpaminany sy hanana fomba fijery lavitra, hampitsiry fanantenana, hampiroboroboana fahatokisana, hanasitranana ratram-po, hampisiana fifandraisana, hampivelarana ny fanantenana, ary hamoronana fomba fiheverana miabo hanazava ny saina, hamerenana indray ny hafanam-po, hanomezana herin-tsandry »[23].

 

Fanafohezanteny

CTI :      Commission Théologique Internationale [Vaomiera Iraisam-pirenena momba ny Teôlôjia.

EC :       Papa Fransoà, Cost. Ap. Episcopalis communio [Foto-pampianarana Apôstôlika Fiombonan’ny Eveka] (15 settembre 2018).

EG :       Papa Fransoà, Fanentanana Apôstôlika Ny hafaliana entin’ny Evanjely (24 novambra 2013).

EK :       Konsily Vatikana II, Soridàlana momba ny Ekiomenisma (21 novambra 1964).

FA :       Kônsily Vatikana II, Foto-pampianarana momba ny Fanambaran’Andriamanitra, (18 novambra 1965).

FAA :    Kônsily Vatikana II, Foto-pampianarana ara-pitondràna momba ny Fiangonana manoloana ny Andro Ankehitriny (7 desambra 1965).

FF :        Kônsily Vatikana II, Foto-pampianarana Fiangonana Fahazavan’izao tontolo izao (21 novambra 1964).

FT :       Papa Fransoà, Taratasy ansiklika Mpirahalahy avokoa (3 ôktôbra 2020).

LS :        Papa Fransoà, Taratasy ansiklika Hoderaina anie Ianao (24 mey 2015).

 



[1]    Ampiarahina amin’ity Tahirin-kevitra ity ny kisarin’ny dingan’ny dia iaraha-manatontosa – lalana iaraha-mizotra (chemin synodal).

[2]    Papa Fransoà, Discorso per la Commemorazione del 50° anniversario dell’istituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin’ny Eveka] (17 ôktôbra 2015).

[3]    Jer. www.synod.va.

[4]    Papa Fransoà, Lettera al Popolo di Dio [Taratasy ho an’ny Vahoakan’Andriamanitra] (20 aogositra 2018), proemio [Teny mialoha]

[5]    Papa Fransoà, Lettera al Popolo di Dio [Taratasy ho an’ny Vahoakan’Andriamanitra] (20 aogositra 2018), lah. 2.

[6]    Ibidem.

[7]    Ibidem.

[8]    Papa Fransoà, Discorso per la Commemorazione del 50° anniversario dell’istituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin’ny Eveka].

[9]    CTI, La sinodalità nella vita e nella missione della Chiesa [Ny fiarahan-dia ao amin’ny fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy] (2 marsa 2018), lah. 3.

[10]   Ibidem.

[11]   Ibid, lah. 6.

[12]   Md Cyprien, De Oratione Dominica, 23: PL 4, 553.

[13]   Md Augustin, Epistola 194, 31: PL 33, 885.

[14]   Md Jean Chrysostome, Explicatio in Psalmum 149: PG 55, 493.

[15]   CTI, La sinodalità nella vita e nella missione della Chiesa [Ny fiarahan-dia ao amin’ny fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy], lah. 6.

[16]   Papa Fransoà, Discorso per la Commemorazione del 50° anniversario dell’istituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin’ny Eveka].

[17]   CTI, La sinodalità nella vita e nella missione della Chiesa [Ny fiarahan-dia ao amin’ny fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy], lah. 69.

[18]   Regula S. Benedicti [Fitsipik’i Md Benoît] , III, 3.

[19]   Papa Fransoà, Discorso per la Commemorazione del 50° anniversario dell’istituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin’ny Eveka].

[20] CTI, La sinodalità nella vita e nella missione della Chiesa [Ny fiarahan-dia ao amin’ny fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy], lah. 70.

[21] Ibidem.

[22]   Papa Fransoà, Discorso per la Commemorazione del 50° anniversario dell’istituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin’ny Eveka].

[23]   Papa Fransoà, Discorso all’inizio del Sinodo dedicato ai giovani [Lahateny fanokafana ny Sinaoda natokana ho an’ny tanora] (3 ôktôbra 2018).